31 octobre 2003

Biz'oroka hifanakalozana

Nampidirina androany indray ny biz'oroka izay fomba hanehoan'ny namana ny fitiavany na ny firaiketam-pony amin'ny namana hafa. Jereo etsy amin'ny [Fanazavana] etsy ankavanana ny momba an'io. Na koa ny rohy eto ambany.
http://namana.serasera.org/index.php?rub=bizouhelp

Raha misy diso dia ilazao ihany aho.
Misaotra betsaka.

28 octobre 2003

Tatitry ny fihaonana t@ 25 oktobra 2003

Araka ny hevitra nitranga avy tamin'ny namana vitsivitsy sy nandeha tamin'ny Forum teto dia nisy fihaonan'ny namana vitsivitsy teo Soarano Antananarivo tamin'ny asabotsy 25 oktobra 2003. Niniana tsy natao tena ofisialy izy io satria sao dia betsaka loatra ny namana tonga kanefa mbola tsy misy mpandrindra ny fihaonana akory. Teo amin'io fihaonana io vao nomanina ny fikarakarana ny fihaonana manaraka izay tapaka fa hatao amin'ny 29 novambra 2003 ho avy izao. Io amin'ny 23 novambra io izany no fihaonana ofisialin'ny namana voalohany izay karakarain'izy 10 mianadahy tonga tamin'ny fihaonana voalohany tao Soarano.
Ka eto amin'ity forum ity indray no hanohizana azy.
http://forum.serasera.org/index.php?rub=viewthread&msgid=m3f9ee05eafc93

Jereo eto ambany ny takelaka misy ny tatitra sy ny sary.
http://namana.serasera.org/index.php?rub=special/soarano

Nanao ny tatitra i Djiul

Nisy olana teo isaorana Rajaona

Manahoana. Nisy olana tamin'ilay fampidirana ny mombamomba fanampiny. Tsy nahatsikaritra an'iny aho satria ny ahy efa feno tsara ka tsy nisy olana mihitsy. Izay nameno mombamomba fanampiny taorian'ny tamin'ny asabotsy dia tsy nety tafiditra daholo ny zavatra nampidiriny. Androany aho vao nisy nilaza hoe misy erreur nivoaka ka dia androany izany vao nahitsy.
Averiko indray hoe rehefa misy erreur hitanareo dia ilazao aho (hery)

26 octobre 2003

Vita ny fifindra-monina

Noheverina hisy fahatapahana lava be ny namindrana lohamilina ny takelaka kanjo mba nirindra tsy nisy fahatapahana. Somary niadana kely fotsiny tao anatin'ny fotoana vitsy.
Milina vaovao izany izao no misy ny takelaka serasera.org rehetra amin'izao fotoana izao.
Raha ohatra ka mahita zavatra tsy mety na hadisoana any ianareo dia ilazao aho (hery).
Misaotra betaka.

24 octobre 2003

Vita ny famindrana ny hafatra

Voafindra tanteraka tamin'ny toerana hafa izany ny angona (données) rehetra tato amin'ny serasera.org.
Ireto ny zavatra natao niaraka tamin'ny ora nanaovana azy.
24/10/2003 09:17
Natomboka ny fakàna ny angona rehetra momba ny namana tao amin'ny lohamilina ovh.
24/10/2003 11:09
Voafindra toerana ny angona ka efa nanomboka nampiasaina. Ny angona nandritra ny adin'ny roa dia mbola tavela any amin'ny ovh.
24/10/2003 11:17
Voafindra ny hafatra taloha rehetra. Tsy miasa intsony izany ny lohamilina ovh. Naverina nosokafana ny fisoratana anarana hiditra ho namana.
24/10/2003 12:00
Manao fanamarinana an'ireo zavatra madinidinika niova nandritra ny adin'ny roa sisa.
Rahampitso asabotsy 25/10/2003 alina ny famindrana ny site amin'ny ankapobeny ka hisy fahatapahana ora vitsivitsy manomboka amin'io asabotsy alina io. Mandritra ny fahatapahana dia azo atao ny mijery ny zavatra rehetra ao amin'ny toerana vonjimaika http://serasera.free.fr
Mety haharitra 24 ora na mihoatra ny fahatapahana kanefa mandritra ireo 24 ora ireo dia mandeha araka ny tokony ho izy ilay http://serasera.free.fr
Araho ihany ny vaovao izay alefa email ihany koa ho an'ireo efa namana.

Misaotra
Hery

18 octobre 2003

Raiso aho handraisako anao

Misy zavatra fenoina kely indray napetraka ato amin'ny namana. Mombamomba fanampiny izay fenoina indray mandeha ihany dia tsy mitranga intsony. Mazava ho azy, arakaraka ny zavatra soratanao ao no hahafantaran'ny namana anao be be kokoa. Ny zavatra rehetra soratan'ny namana ao dia mandalo ao amin'ny ekipan'ny mpitantana avokoa... ary mitranga ao amin'ny mombamomba anao rehefa mijery izany ny namana.

10 octobre 2003

Forum - Lohahevitra vaovao

Misy lohahevitra vaovao nampidirina indray androany ao amin'ny Forum. Io dia natao mba handinihana ny tetikasa sy vinavinan'ny namana. Azonareo atao eto ny fandaharam-potoana fihaonana raha sendra misy. Na tetikasa maharitra mety hiraisana. Jereo eo amin'ny lisitry ny lohahevitra ny hoe Tetikasa sy Vinavina. Na jereo mivantana eto ambany
http://forum.serasera.org/index.php?rub=viewtopic&topid=t3f865fbbb8c99
Dia mandraisa anjara.

08 octobre 2003

Nivaha kely indray ny olana

Alarobia 8/10/2003 amin'ny 3:42 maraina :)
Nivaha indray ary izany ny olana teo amin'ny site namana.serasera.org izay efa nitranga hatry ny omaly alina. Amin'izao fotoana izao dia mandeha ara-dalàna afatsy zavatra vitsivitsy izay hataoko rahampitso. Anisan'izany ny [Tsingerintaona], [Ny isan'ny namana]
Raha toa ka mbola mahatsikaritra olana ianareo dia manorata aty amiko namana-admin@serasera.org
Na antsoy amin'ny téléphone izay afaka :)
Antenaina fa tsy hisy fikatsoana tahaka an'iny intsony
Misaotra tamin'ny faharetana.

06 octobre 2003

Ezaka fanafainganana ny site

Nanomboka nanarina ny site aho androany maraina. Nampifanaraka ny scripts rehetra amin'ny tokony hampalaky azy (indrindra ny connexion @ mysql). Hita mantsy fa niadana be ny fanomezan'ny ovh ny connexion @ base de données... mety mbola tsy hiova amin'izay ny ovh koa dia anjarako no manamboatra ny scripts mba ho malakilaky kokoa.
Ny fomba ataoko amin'izao fotoana izao :
Connecte - Requêtes - Déconnecte (isaky ny misy requêtes)
Tsy haiko na io no fomba tsara indrindra fa mahatonga ahy hanao connecte + déconnecte in3 na in4 ao anatin'ny pageload anakiray. Raha misy maharaka an'io ka afaka manome sosokevitra dia isaorana be dia be.
Ny namana ihany no misy an'io olana io noho izy ao anatin'ny sql.bdb. Ny vetso sy tononkira tsy misy olana.