19 octobre 2022

Namana Serasera - 20 taona

Raha tamin'ny 1999 no niorenan'ny serasera.org manontolo dia ny 19 oktobra 2002 kosa no nisokatra ny takelaky ny namana.serasera.org

Feno 20 taona amin'ity taona 2022 ity izany ny namana.serasera.org izay takelaka tena nifandraisana ka nifankahalalan'ny mpikambana maro.

Tamin'io 19 Oktobra io ary dia navoaka ho hitam-bahoaka ny takelaka namana.serasera.org. Mazava ho azy fa izaho no nisoratra anarana voalohany :-) dia nisy ankizy vitsivitsy akaiky ahy koa (izay niala dia avy eo niditra dia tsy voatahiry ny momba azy taloha). Tapa-bolana taty aoriana dia 55 no isan'ny namana (aza mihomehy). Dia noezahina nohatsaraina teny foana.

Amin'izao fotoana izao dia mahatratra 103.016 eo ho eo ny namana ary mitombo hatrany. (araka ny hita ao amin'ny login.serasera.org)

Misaotra anao nanaiky ho namana... dia maniry ny hitohizan'izany hatrany.

Tsy tokony mba hisy hetsika vitsivitsy ve amin'io volana oktobra io ? Haninona anefa :-)

Toa izao ny fitantarana ny zava-nisy tamin'izany fotoana izany.

 

19-Oct-2002Nampidirina androany tamin'ny lohamilina ny namana.serasera.org
Hita anefa fa mbola misy olana be dia be... ezahina amboarina ao anaty fotoana fohy...
Tsy mitovy ny configuration'ny windows-ko localhost sy ny an'ny ovh ka io!!
 Amin'ny 22:12 izao kanefa mbola tsy activé ihany ilay sous-domaine. Mbola tsy mandeha izany ilay http://namana.serasera.org fa ny mandeha dia http://www.serasera.org/namana ...
Mila fanandramana
Mila fanandramana
20-Oct-2002Efa opérationnel angamba ity site ity amin'izao fotoana izao an.
Mitady soso-kevitra hatrany (jereo etsy ankavia hoe sosokevitra).
Dia mitady namana koa :-)
21-Oct-2002Nampidirina ny compteur avy amin'ny thecounter.com
Nasiana Stat avy amin'ny eStat ihany koa...
12 ny manandrana misoratra anarana fa tsy nanao an'ilay hoe ataovy ho azo tadiavina...

angamba tokony atao checked par défaut iny
 <b>Valim-panontaniana manitikitika</b>
Raha toa ka tianao ho hitan'ny olona ny anaranao sy ny mombamomba anao dia tsy maintsy fenoina ilay tapany faharoa amin'ny Ny momba ahy.
Mandehana etsy ampita amin'ilay hoe Ny momba ahy...
 Ok. Mandeha amin'izao ny sous-domaine namana.serasera.org
Azontsika andramana amin'izay...

Misaotra

22-Oct-2002Raha misy olana hitanareo anie ry 'reto dia alefaso etsy amin'ny soso-kevitra a!
Mba mitarainà moa e!

Heriniaina
23-Oct-2002Hitako fa misy erreur kely rehefa manokatra ny page... javascript error io. avy amin'ilay compteur.
Hovaiko rehefa rahalina fa mbola vao reraka avy niasa aho izao.

25-Oct-2002Nisy tsy nety kely teo... rehefa tsy misy votoatiny ny hafatra dia tsy azo nosokafana mihitsy...
Amin'izao dia efa mety, soloina hoe --- tsy misy --- rehefa tsy misy hafatra

Ianareo ho'aho mba milazà raha misy zavatra tsy mety... alefaso etsy amin'ilay hoe soso-kevitra.

Misaotra betsaka


 Efa azo atao amin'izao ny mamaky ny hafatra nalefanao tamin'ny olona... [Ny hafatra lasa]

 Amin'ny lisitry ny namana rehetra (na ny vokatry ny fitadiavana namana) dia mitranga koa ny solon'anarana. Raha tsindrina ny solon'anarana dia tonga dia mitranga ny fanoratana hafatra ho an'ilay namana...

Mety tsara kah

-
31-Oct-2002Manahoana,

Mitombo ihany ny namana.
Eto Toliara aho izao ary mandeha tsara ny namana.serasera.org avy eto.
Misy hevitra vitsivitsy hotanterahina rehefa tafaverina any Tanà...

Ok

 Hafanana izany mba marina mafy :-(

Hitako fa maro ireo namana voasoratra anarana (55 androany) kanefa ny 15 tsy nanaiky ho namana.

Azo atao foana ny manaiky ho namana rehefa avy eo... jereo ilay hoe [Ny momba ahy] dia jereo ao hoe asehoy anatin'ny lisitry ny namana.

Ao koa no azonao hanitsiana ny mombamomba anao.

Mazotoa indray.

Hery
04-Nov-2002Mbola mihitsoka aty Toliara ny oebimasitera ka rehefa tonga any Tanà amboarina izay mbola tsy metimety tsara.

Ary 'nareo moa r'ireto mba mametraha sary a! Misaotra an'izay efa sahy