30 mars 2016

Mifindra monina

Manomboka androany izany ny fifindra-monin'ny sites rehetra tao amin'ny serasera. Misy olana ny disque dur amin'ilay host taloha ka manjary miadana be daholo ny sites. Dia voatery natomboka ny fifindra-monina.

Nisy olana kely tamin'ny resaka tambazotra satria mbola tsy fampiasa firy ny serveurs vaovao. Ny lesona fotsiny dia hoe amin'ny host no ovaina ny resaka network dia mila reboot foana vao ekeny ny configurations.

Apetrako tsikelikely eto ny fizotran'ny asa

30/03/2016

  • Radiovazogasy
    • Natomboka tamin'ny famindrana ny Radiovazogasy izany alina. Serveur Windows izay misy ny Broadcaster. Tsy sarotra satria tonga dia ilay VM no nafindra. Vita soa amantsara.
    • Ny stream mampiasa php dia nandramako natao nginx fa tsy natao apache intsony. Vita soa amantsara ary mahazaka tsara.
  • Tononkira
    •   Natomboka fa avy eo najanona fa misy olona mampiasa be dia be loatra (mampiditra hira sns) ka manjary corrompu. Tohizana rahalina.
  • Forum
    • Voafindra tsara, fohy ny down time fa nisy nahatsikaritra ihany tato ohatra
    • Nisy olana fa kay moa debian minimal ilay napetraka ka tsy maintsy napetraka ny Curl, php5-curl, php5-gd 
    • Nisy olana koa ny bbcode ao amin'ny forum module (izay mbola mila ovaina amin'ny sites hafa koa) satria nisy code tsy eken'ny php 5.6 intsony. (String Offset cast occured nisy nanazava ato, Nisy hoe $offset = strpos(xxx,xxx) dia nefa avy eo misy variable tampoka hoe $value[$offset]. Mazava ho azy fa raha FALSE ny $offset dia misy erreur io ligne io. Noho izany dia tokony misy condition mamaritra an'izay FALSE izay aloha
  • Blaogy.org
    • Ny blaogy.org tonga dia nandeha satria wp farany no ao
  • Katolika.org
    • Nisy olana tahaka ny forum tamin'ny Curl fa avy eo nety ihany.
  • baiboly.katolika.org
    • Mitovy amin'ny mampiasa ci-cms ihany koa ny olana. Curl.
    • Taorian'ny curl dia misy olana amin'ny resaka toko sy andininy izay mamoaka sary ilaina amin'ny openGraph
    • Mbola eto aho izao no nanapa-kevitra hanao ity article ity :-)

  • Blaogy.org
    • under attack ny blaogy.org satria tsy mbola misy fail2ban ilay serveur vaovao. Mila apetraka malaky ny fail2ban
  • Baiboly
    • Misy olana kely ny accent amin'ny lien. Ohatra hoe http://baiboly.katolika.org/boky/Fanambaràna/2 
    •  

31/03/2016

  • Radiovazogasy
    • Tafafindra tanteraka ny stream, ny site, ny studio ary ny database (oh, kay vm 4 samihafa). Ny ip malaina mi-se propager
  • Serasera
    • Misy gateway error hono any amin'i Rondro any rehefa mampiasa tononkira.serasera.org
    • Tafafindra ny serasera.org iray manontolo (tokony). Ka najanona tanteraka ilay VM nisy azy (shut down)
    • Manitsy ny olana madinidinika. Hita hoe miteraka olana foana ny php short tag, soa ihany fa tsy dia miasa betsaka afatsy tamin'ny templates vitsivitsy. Ny bizna.serasera.org izao tratran'izay.
    • Ny chat ao amin'ny namana.serasera.org koa kay any amin'ny toeran-kafa ny config.
  • Misy mitroka amin'ny sniffer ny site tononkira sy radiovazogasy. Aleo aloha ho eo fa le vm100 taloha io.

01/04/2016


  • - Resin-tory dia tsy nisy migration vita alina.
  • - Nanenina mihitsy aho nampiasa an'ilay debian minimal. Tokony natao standard daholo. Tsisy mandeha ny traduction na dia efa installé aza ny gettext. Iverenako rahalina fa taty am-piasana no nahatsikaritra hoe lasa tent anglisy ny namana.serasera.org
  • - Najanona tanteraka ny vm100 taloha satria viafindra daholo ny tao anatiny, mandeha tsara ny vm100 vaovao ao am SYS1

02/04/2016

  • Mbola tsy mandeha ny langues ao amin'ny sites mampiasa CI-CMS... vao mijery azy aho io.
  • Ireo config mila désactiver-na ao amin'ny php.ini raha miditra php version 5.6
    • magic_quotes_gpc
    • register_long_arrays
    • allow_call_time_pass_reference

03/04/2016


  • Olana avy amin'ny version-n'ny PHP-gettext no nahatonga ilay resaka langues. Efa milamina amin'izao fa nampidirina ny version farany nalaina tao amin'ny https://launchpad.net/php-gettext/

07/04/2016

  • Manomboka indray ny famindrana ny resaka karajia.org. Ity no anisan'ny délicat indrindra satria tsy tadidiko tsara daholo ny configurations natao fa mizarazara be. Ka amin'ity voalohany ity dia ny mikasika ny serveur irc rehetra aloha no afindra (database, ircd, services). Dia avy eo vao mamindra ny clients rehetra izay soa ihany fa napetrako amin'ny serveur kimsufi manokana. (jeux, eggdrop sns)
  • Nafindra ho an'ny user karajia daholo ny bases de données (denora, anope, irclogger ary karajia) dia ao amin'ny ct103 daholo
  • Ngeza be loatra ilay database karajia (misy ny archives rehetra). Mila jerena raha tena ilaina ny archives nandritra ny 10 taona :-)

08/04/2016

  • Tafafindra aloha izay ny irc.serasera.org. Ny clients rehetra (jeux sns) mbola ajanona any amin'ny old kimsufi 

16/04/2016

  • Vita tanteraka ny famindrana. Mbola nisy olana kely ny resaka scores tamin'ny lalao tao amin'ny karajia saingy nihidy alohan'ny fotoana ilay serveur taloha dia tsy recupérable intsony.