18 décembre 2008

Misoko mangina, mitombo tsikelikely ihany ny ohabolana voatahiry ao amin'ny takelaka Ohabolana malagasy (ohabolana.org). Mahatratra 4114 izy amin'izaho mijery izao. Noezahina tsy hisy ohabolana miverimberina, kanefa moa eo ihany ny olana momba ny ohabolana iray izay samy manana ny filazany azy, ary eo koa ny diso tsipelina.Ohabolana malagasy no tena ezahina apetraka ao. Fa misy koa ireo izay votom-pinoana loatra ka ny bokin'ny Ohabolana ao amin'ny Baiboly no amenoany ny angona... kanefa efa misy takelaka momba ny baiboly ihany koa efa natao.

Raha manana takelaka ianao ka mahaliana anao ny hametraka ohabolana ao amin'ny takelakao izay miova isanandro dia azonao atao ny mijery eto fa misy zavatra vitsivitsy azo apetraka tonga dia mampiseho ohabolana ao amin'ny takelakao ao.

Dia fisaorana hatrany no atolotra ireo izay mametraka ohabolana tsy tapaka isanandro.