24 janvier 2023

Message privé

J'ai donc remis la possibilité d'envoyer des Messages privés sur le site namana.serasera.org 
La technologie utilisée est Vuejs en frontend et NodeJS avec socket.io yo en backend. Pour le moment surtout pour un ordinateur de bureau ça marche bien. Le problème que je trouve c'est l'affichage responsive pour mobile, mais je vais essayer de corriger ça. 
Je pense que l'idéal c'est de faire une application complète... je verrai comment on peut gérer ça.

19 octobre 2022

Namana Serasera - 20 taona

Raha tamin'ny 1999 no niorenan'ny serasera.org manontolo dia ny 19 oktobra 2002 kosa no nisokatra ny takelaky ny namana.serasera.org

Feno 20 taona amin'ity taona 2022 ity izany ny namana.serasera.org izay takelaka tena nifandraisana ka nifankahalalan'ny mpikambana maro.

Tamin'io 19 Oktobra io ary dia navoaka ho hitam-bahoaka ny takelaka namana.serasera.org. Mazava ho azy fa izaho no nisoratra anarana voalohany :-) dia nisy ankizy vitsivitsy akaiky ahy koa (izay niala dia avy eo niditra dia tsy voatahiry ny momba azy taloha). Tapa-bolana taty aoriana dia 55 no isan'ny namana (aza mihomehy). Dia noezahina nohatsaraina teny foana.

Amin'izao fotoana izao dia mahatratra 103.016 eo ho eo ny namana ary mitombo hatrany. (araka ny hita ao amin'ny login.serasera.org)

Misaotra anao nanaiky ho namana... dia maniry ny hitohizan'izany hatrany.

Tsy tokony mba hisy hetsika vitsivitsy ve amin'io volana oktobra io ? Haninona anefa :-)

Toa izao ny fitantarana ny zava-nisy tamin'izany fotoana izany.

 

19-Oct-2002Nampidirina androany tamin'ny lohamilina ny namana.serasera.org
Hita anefa fa mbola misy olana be dia be... ezahina amboarina ao anaty fotoana fohy...
Tsy mitovy ny configuration'ny windows-ko localhost sy ny an'ny ovh ka io!!
 Amin'ny 22:12 izao kanefa mbola tsy activé ihany ilay sous-domaine. Mbola tsy mandeha izany ilay http://namana.serasera.org fa ny mandeha dia http://www.serasera.org/namana ...
Mila fanandramana
Mila fanandramana
20-Oct-2002Efa opérationnel angamba ity site ity amin'izao fotoana izao an.
Mitady soso-kevitra hatrany (jereo etsy ankavia hoe sosokevitra).
Dia mitady namana koa :-)
21-Oct-2002Nampidirina ny compteur avy amin'ny thecounter.com
Nasiana Stat avy amin'ny eStat ihany koa...
12 ny manandrana misoratra anarana fa tsy nanao an'ilay hoe ataovy ho azo tadiavina...

angamba tokony atao checked par défaut iny
 <b>Valim-panontaniana manitikitika</b>
Raha toa ka tianao ho hitan'ny olona ny anaranao sy ny mombamomba anao dia tsy maintsy fenoina ilay tapany faharoa amin'ny Ny momba ahy.
Mandehana etsy ampita amin'ilay hoe Ny momba ahy...
 Ok. Mandeha amin'izao ny sous-domaine namana.serasera.org
Azontsika andramana amin'izay...

Misaotra

22-Oct-2002Raha misy olana hitanareo anie ry 'reto dia alefaso etsy amin'ny soso-kevitra a!
Mba mitarainà moa e!

Heriniaina
23-Oct-2002Hitako fa misy erreur kely rehefa manokatra ny page... javascript error io. avy amin'ilay compteur.
Hovaiko rehefa rahalina fa mbola vao reraka avy niasa aho izao.

25-Oct-2002Nisy tsy nety kely teo... rehefa tsy misy votoatiny ny hafatra dia tsy azo nosokafana mihitsy...
Amin'izao dia efa mety, soloina hoe --- tsy misy --- rehefa tsy misy hafatra

Ianareo ho'aho mba milazà raha misy zavatra tsy mety... alefaso etsy amin'ilay hoe soso-kevitra.

Misaotra betsaka


 Efa azo atao amin'izao ny mamaky ny hafatra nalefanao tamin'ny olona... [Ny hafatra lasa]

 Amin'ny lisitry ny namana rehetra (na ny vokatry ny fitadiavana namana) dia mitranga koa ny solon'anarana. Raha tsindrina ny solon'anarana dia tonga dia mitranga ny fanoratana hafatra ho an'ilay namana...

Mety tsara kah

-
31-Oct-2002Manahoana,

Mitombo ihany ny namana.
Eto Toliara aho izao ary mandeha tsara ny namana.serasera.org avy eto.
Misy hevitra vitsivitsy hotanterahina rehefa tafaverina any Tanà...

Ok

 Hafanana izany mba marina mafy :-(

Hitako fa maro ireo namana voasoratra anarana (55 androany) kanefa ny 15 tsy nanaiky ho namana.

Azo atao foana ny manaiky ho namana rehefa avy eo... jereo ilay hoe [Ny momba ahy] dia jereo ao hoe asehoy anatin'ny lisitry ny namana.

Ao koa no azonao hanitsiana ny mombamomba anao.

Mazotoa indray.

Hery
04-Nov-2002Mbola mihitsoka aty Toliara ny oebimasitera ka rehefa tonga any Tanà amboarina izay mbola tsy metimety tsara.

Ary 'nareo moa r'ireto mba mametraha sary a! Misaotra an'izay efa sahy

 

30 mars 2016

Mifindra monina

Manomboka androany izany ny fifindra-monin'ny sites rehetra tao amin'ny serasera. Misy olana ny disque dur amin'ilay host taloha ka manjary miadana be daholo ny sites. Dia voatery natomboka ny fifindra-monina.

Nisy olana kely tamin'ny resaka tambazotra satria mbola tsy fampiasa firy ny serveurs vaovao. Ny lesona fotsiny dia hoe amin'ny host no ovaina ny resaka network dia mila reboot foana vao ekeny ny configurations.

Apetrako tsikelikely eto ny fizotran'ny asa

30/03/2016

  • Radiovazogasy
    • Natomboka tamin'ny famindrana ny Radiovazogasy izany alina. Serveur Windows izay misy ny Broadcaster. Tsy sarotra satria tonga dia ilay VM no nafindra. Vita soa amantsara.
    • Ny stream mampiasa php dia nandramako natao nginx fa tsy natao apache intsony. Vita soa amantsara ary mahazaka tsara.
  • Tononkira
    •   Natomboka fa avy eo najanona fa misy olona mampiasa be dia be loatra (mampiditra hira sns) ka manjary corrompu. Tohizana rahalina.
  • Forum
    • Voafindra tsara, fohy ny down time fa nisy nahatsikaritra ihany tato ohatra
    • Nisy olana fa kay moa debian minimal ilay napetraka ka tsy maintsy napetraka ny Curl, php5-curl, php5-gd 
    • Nisy olana koa ny bbcode ao amin'ny forum module (izay mbola mila ovaina amin'ny sites hafa koa) satria nisy code tsy eken'ny php 5.6 intsony. (String Offset cast occured nisy nanazava ato, Nisy hoe $offset = strpos(xxx,xxx) dia nefa avy eo misy variable tampoka hoe $value[$offset]. Mazava ho azy fa raha FALSE ny $offset dia misy erreur io ligne io. Noho izany dia tokony misy condition mamaritra an'izay FALSE izay aloha
  • Blaogy.org
    • Ny blaogy.org tonga dia nandeha satria wp farany no ao
  • Katolika.org
    • Nisy olana tahaka ny forum tamin'ny Curl fa avy eo nety ihany.
  • baiboly.katolika.org
    • Mitovy amin'ny mampiasa ci-cms ihany koa ny olana. Curl.
    • Taorian'ny curl dia misy olana amin'ny resaka toko sy andininy izay mamoaka sary ilaina amin'ny openGraph
    • Mbola eto aho izao no nanapa-kevitra hanao ity article ity :-)

  • Blaogy.org
    • under attack ny blaogy.org satria tsy mbola misy fail2ban ilay serveur vaovao. Mila apetraka malaky ny fail2ban
  • Baiboly
    • Misy olana kely ny accent amin'ny lien. Ohatra hoe http://baiboly.katolika.org/boky/Fanambaràna/2 
    •  

31/03/2016

  • Radiovazogasy
    • Tafafindra tanteraka ny stream, ny site, ny studio ary ny database (oh, kay vm 4 samihafa). Ny ip malaina mi-se propager
  • Serasera
    • Misy gateway error hono any amin'i Rondro any rehefa mampiasa tononkira.serasera.org
    • Tafafindra ny serasera.org iray manontolo (tokony). Ka najanona tanteraka ilay VM nisy azy (shut down)
    • Manitsy ny olana madinidinika. Hita hoe miteraka olana foana ny php short tag, soa ihany fa tsy dia miasa betsaka afatsy tamin'ny templates vitsivitsy. Ny bizna.serasera.org izao tratran'izay.
    • Ny chat ao amin'ny namana.serasera.org koa kay any amin'ny toeran-kafa ny config.
  • Misy mitroka amin'ny sniffer ny site tononkira sy radiovazogasy. Aleo aloha ho eo fa le vm100 taloha io.

01/04/2016


  • - Resin-tory dia tsy nisy migration vita alina.
  • - Nanenina mihitsy aho nampiasa an'ilay debian minimal. Tokony natao standard daholo. Tsisy mandeha ny traduction na dia efa installé aza ny gettext. Iverenako rahalina fa taty am-piasana no nahatsikaritra hoe lasa tent anglisy ny namana.serasera.org
  • - Najanona tanteraka ny vm100 taloha satria viafindra daholo ny tao anatiny, mandeha tsara ny vm100 vaovao ao am SYS1

02/04/2016

  • Mbola tsy mandeha ny langues ao amin'ny sites mampiasa CI-CMS... vao mijery azy aho io.
  • Ireo config mila désactiver-na ao amin'ny php.ini raha miditra php version 5.6
    • magic_quotes_gpc
    • register_long_arrays
    • allow_call_time_pass_reference

03/04/2016


  • Olana avy amin'ny version-n'ny PHP-gettext no nahatonga ilay resaka langues. Efa milamina amin'izao fa nampidirina ny version farany nalaina tao amin'ny https://launchpad.net/php-gettext/

07/04/2016

  • Manomboka indray ny famindrana ny resaka karajia.org. Ity no anisan'ny délicat indrindra satria tsy tadidiko tsara daholo ny configurations natao fa mizarazara be. Ka amin'ity voalohany ity dia ny mikasika ny serveur irc rehetra aloha no afindra (database, ircd, services). Dia avy eo vao mamindra ny clients rehetra izay soa ihany fa napetrako amin'ny serveur kimsufi manokana. (jeux, eggdrop sns)
  • Nafindra ho an'ny user karajia daholo ny bases de données (denora, anope, irclogger ary karajia) dia ao amin'ny ct103 daholo
  • Ngeza be loatra ilay database karajia (misy ny archives rehetra). Mila jerena raha tena ilaina ny archives nandritra ny 10 taona :-)

08/04/2016

  • Tafafindra aloha izay ny irc.serasera.org. Ny clients rehetra (jeux sns) mbola ajanona any amin'ny old kimsufi 

16/04/2016

  • Vita tanteraka ny famindrana. Mbola nisy olana kely ny resaka scores tamin'ny lalao tao amin'ny karajia saingy nihidy alohan'ny fotoana ilay serveur taloha dia tsy recupérable intsony.

25 novembre 2015

nginx as proxy sy fail2ban

Noho ny fisian'ny site iray mbola mampiasa joomla 1.5 izay tsy mbola vitako ny manavao azy satria misy composants mbola mila havaozina sy misy docman izay lasa payant... dia voatery nanamboatra vm iray aho hasiana an'io site io fotsiny. Ny olana anefa dia tsy manana ip fanampiny koa dia voatery nanamboatra proxy izay ny nginx no mandrindra azy.

Ni-installer vm vaovao izany, natao debian 7 (mbola olana koa ny manao debian 8 satria efa tranainy ny noyau-n'ilay host nefa raha havaozina dia tsy maintsy akisaka am sisiny daholo aloha ireo rehetra ireo pff).
Ny tao amin'ity blaogy ity no nakako hevitra satria io no misy cache.

Ny olana dia votsotra indray ny fail2ban satria ny hote indray no bloquer-ny. dia nafindra tao amin'ilay nginx ilay fail2ban sy ny rules dia mba nety.

Mijery izao raha misy olana ilay caching


01 août 2015

Attaque brute force

Nandalo fanafihana ny serveur-n'ny serasera misy ny blaogy.org androany. Tsy tratran'ny fail2ban tsotra fotsiny satria angamba tsy tena miditra ry zalahy fa manao ddos fotsiny. Dia nila nanaovana fail2ban manokana

Toa izao ny endriky ny ataky. Ao anatin'ny 1 segondra misokatra in 5 na in 6 ny site.


Ny natao:

namorona fichier hoe wp-auth.conf tao amin'ny /etc/fail2ban/filter.d

Izao no natao tao anatiny

[Definition]
failregex = ^ .* "POST /wp-login.php
ignoreregex =

dia avy eo nampiana an'izao tao amin'ny jail.conf


[wp-auth]
enabled = true
filter = wp-auth
action = iptables-multiport[name=NoAuthFailures, port="http,https"]
logpath = /var/log/virtualmin/blaogy.org_access_log
bantime = 3600
maxretry = 3

21 mai 2015

Tononkalo sy Mpanoratra ankafizina

Fanatsarana kely nisy nangataka ity vita androany ity. Hoy ilay namana:
Tena misy mpanoratra tena mampiaiky ary tiako daholo ny asa sorany rehetra, mba iriko raha misy bokotra azo tsindriana hoe "Ankafiziko" ka haharaisako imailaka avy hatrany mitaona ahy hitsidika ny tononkalo vaovao izay nosoratan'io mpanoratra io. 
 Koa nanomboka izao dia afaka mankafy mpanoratra sy tononkalo isika ao amin'ny Vetso.serasera.org
Rehefa mijery mpanoratra na tononkalo dia misy sarina fo dia tsindrina iny raha hankafy. Lasa menamena ilay fo rehefa ankafizinao ny tonokalo na mpanoratra.



Raha efa mankafy an'ilay tononkalo na mpanoratra no manindry ilay fo menamena dia miala ao anaty lisitry ny ankafizinao ilay tonokalo na mpanoratra.




Rehefa mankafy mpanoratra ianao dia mahazo filazàna amin'ny alalan'ny email isaka ny misy mampiditra tononkalon'io mpanoratra io. Raha tsy te handray email dia afaka mandeha ao amin'ny lisitry ny mpanoratra ankafizinao dia esorina ilay valopy kely.


27 mars 2015

Ny momba ny klipgasy.org

Tsy dia fombako ny mizara antsipirihany ny teknolojia momba ny site ataoko noho ny fanahiana hatrany ny mety hisian'ny lavaka eny antsefatsefany eny ka misy manararaotra hanimba zavatra. Fa amin'ity indray mitoraka ity dia tsy dia maninona loatra izany.


Navoakako afak'omaly ara ny voatra vaovaon'ny klipgasy.org. Efa tamin'ny 2007 no nisokatra voalohany ny klipgasy.org ary natao indrindra hanangonangonana hira antsary malagasy. Ny tanjona dia mba hahafahana mitady mora foana ireo hira n'ny mpihira iray na ireo mitovitovy karazana. Hatramin'izay dia blaogy tsotra tao amin'ny blogger.com no nametrahana azy. Ny anaran'ny mpihira no natao sokajy ka isaky ny manindry mpihira dia miseho ny hirany rehetra.
Nanomboka afak'omaly kosa dia ao amin'ny openshift.com no misy azy. Amin'izao dia mampiasa ilay toerana maimaim-poana atolotry ny openshift ary mifototra eo ambonin'ny Drupal. Ny endrika miasa dia zanak'endrika Zurb Foundation mba hahatonga ilay takelaka ho azo jerena amin'ny finday.
Nanamboatra module manokana koa aho mba hahafahan'ny  mpikambana ao amin'ny serasera.org  miditra avy hatrany mampiasa ny solonanarana sy tenimiafina avy ao amin'ny serasersa. Amin'izay dia tsy mila misoratra anarana vaovao intsony ny mpikambana amin'ny serasera. Raha toa ka tsy  mbola mpikambana amin'ny serasera.org moa dia afaka misoratra anarana ihany koa.


14 mars 2015

Maintenance

Asabotsy ny andro dia mandamindamina kely.
Nanokatra vm anakiray (103) hanaovana dev manokana. Debian Wheezy. Dia no-forwarder-na tamin'io ny port 80 avy amin'ny host dia nanjary nandeha tany amin'ilay 103 daholo ny requetes rehetra na dia avy amin'ny vm sasany aza.

07 mars 2015

Misy extrait-n'ny hira ny tononkira

Napetraka ao amin'ny http://tononkira.serasera.org androany ny extrait-n'ireo hira maromaro izay misy ao amin'ny Radiovazogasy.com
Tsy ny hira rehetra aloha no efa ao fa efa ezahina tsikelikely.
Raha ara-teknika dia azo atao ny mampihaino ny hira manontolo fa tsy sombiny fotsiny saingy mbola mieritreritra hoe iza no omena alalana hihaino manontolo.

17 août 2011

Fihaonana Rome III - 12 - 15 Aout 2011