12 mars 2010

Youtube amin'ny hafatra sy eritreritra mandalo

Toa izao no fametrahana video eto amin'ny eritreritra mandalo. Hatramin'izao aloha dia mbola Youtube ihany no azo apetraka fa mbola hatsaraina amin'ny manaraka.
Raha te hametraka video Youtube dia jereo ilay lien omen'ny Youtube. Ohatra hoehttp://www.youtube.com/watch?v=8kxC8CzwIOY dia alaivo ilay code aorian'ny v= izany hoe ilay8kxC8CzwIOY eto amin'ny ohatra dia ataovy ao anatin'ny [youtube] sy [/youtube] tsy asiana elanelana. Izany hoe toa izao [youtube]8kxC8CzwIOY[youtube]

Dia toa izao no hiseho eo amin'ny eritreritra mandalo rehefa sokafana.

02 mars 2010

Zava-baovao Volana Marsa 2010


Maromaro ihany ny zava-baovao madinidinika natao tamin'iny volana febroary iny ka atolotra ho anareo amin'ity volana marsa ity. Ny vaovao hitako hoe mivaingana indrindra anefa dia ny fitsanganan'ny Fikaonandohan'ny mpandrindra ny serasera na koa ny conseil d'administration-n'ny serasera.
Tamin'ny 20 febroary teo tao Paris no nananganana sy nivoriana voalohan'ny fikaonandohan'ny mpandrindra ny serasera. Misy fito ny mpikambana ao amin'io fikaonandoha io ary ny tena tanjony dia ny hiara-miasa akaiky kokoa amin'ny fampandehanana ny serasera.org amin'ny ankapobeny. Efa nanomboka tamin'iny volana janoary sy febroary iny ny jery todika sy dinidinika momba ny zavatra mbola hatao, fa tamin'io 20 febroary tao Paris io kosa no nametrapetrahana ny andraikitry ny tsirairay. Hozaraina amintsika miandalana eny ihany izany fa amin'izao dia tiana hampahafantarina antsika ofisialy ny mpikambana ao amin'izany fikaonandoha izany dia tsy iza fa i Hanitra (sipagasy), Rondro (ikalamako), Mary Lou (mimoza), Hajalalaina (Raozigasy), Nirina (ds), Tahina (sambtah) ary i Hery (hery). Noho ny mbola fahasahiranany moa dia nangataka hijanona ho mpanolokevitra aloha i Lanto (lanto) sy i Lalaina (arialy). Izahay ireo dia nifanaiky ny hitady izay fomba hampandrosoana hatrany ity serasera.org ity. Nifanome teny fa hiara-miasa akaiky kokoa, koa hisy ny fivoriana matetitetika izay hatao amin'ny internet sy ny fihaonana ihany koa rehefa ilaina.
Izay ny momba iny, fa ny zavatra vitsivitsy nampidirina tamin'iny volana febroary iny dia ireto:

Ny eritreritra mandalo
Rehefa miditra ao amin'ny takelaky ny namana.serasera.org ianao ka mampiditra solonanarana sy tenimiafina dia tonga dia misy toerana hametrahanao izay eritreritra mandalonao eo. Ny zavatra soratanao eo dia azon'ny namana vakiana ary azony ametrahana hevitra ihany koa. Mitovitovy amin'ilay tolotra omen'ny twitter.com io saingy ny mampiavaka azy dia azo ametrahana hevitra eo ambany avy hatrany. Raha toa moa ka manana kaonty ao amin'ny twitter.com ianao dia azonao ampidirina ao amin'ny mombamomba anao izany ka izay soratanao ao amin'ny eritreritra mandalo dia miseho avy hatrany any amin'ny twitter-nao.

Mangataha ho namana
Hatramin'izay dia afaka ampidirinao ho namanao manokana ny namana rehetra. Ny namana ampidirinao ho namana manokana nefa dia tsy voatery mampiditra anao ho namany manokana. Marihina fa raha ampidirinao ho namana manokana ny namana iray dia tsy midika hoe namany manokana ianao fa izy no namanao manokana. Izany hoe tsy mahita ny sariny ianao fa izy no mahita ny sarinao manokana. Amin'izao ary dia afaka mangataka ny mba ho namana manokana ianao. Rehefa mijery ny mombamomba ny namana iray ianao dia misy hoe Te ho namany koa raha toa ka tianao ny ho namany manokana dia azonao tsindrina io.

DVD Serasera faha 10 taona
Vita ihany koa izao ny DVD Faha folo taonan'ny serasera.org. Io DVD io dia mampiseho ny fihaonana vitsivitsy nandritra izay 10 taona izay. Ary indrindra ilay takariva niaraka tamin'ny tarika Ambondrona sy SimJay ary Jobily Weber tao amin'ny Move Mada tao Paris tamin'ny 2 oktobra 2009. Tsindrio eto raha toa ka liana hividy ilay DVD.
Izay indray ary fa holazaina miandalana eny ihany ny fivoarany.
Tsiky dia ampy