Accéder au contenu principal

Articles

Affichage des articles du octobre, 2005

Tovana amin'ny hafatra

Dia tapa-kevitra izany fa hasiana tovana amin'izay amin'ny hafatra. Ka toa izao no hanaovana azy. Ahoana no hanaovana azy? - Afaka mandefa tovana rehefa mandefa hafatra. - Ny tovana dia voatahiry ao amin'ny toerana isaky ny namana - Ny tovana dia azo fafaina manokana ary koa voafafa miaraka amin'ny hafatra. (raha tehirizina ny hafatra dia voatahiry miaraka aminy) - Misy fetrany ny habe-n'ny tahiry isaky ny namana Ny olana mety hitranga? -  Feno ny boatin'ny namana iray dia tsy afaka mandray hafatra sa tsy afaka mandray tovana? - Tokony misy namana afaka mitahiry tovana lehibebe kokoa - Rehefa alefa email ny hafatra, manaraka ve ny tovana? (Tsia - lien no ampanarahana) Misy tsy mety Raha hafatra iray ho an'olona vitsivitsy dia aiza no hapetraka? sa manao copy ho an'ny rehetra? :-(

Manomboka indray ny fifindrana

Taorian'ny fiaretan-tory tamin'ny alarobia alina nampiditra ny serasera.org tao amin'ny serveur vaovao sy ny fiaretantory tamin'ny alakamisy alina namerina azy tao amin'ilay serveur taloha indray (satria tapaka naharitra tsy nahitako solution ilay serveur vaovao) dia hanomboka indray androany hariva ny fiaretantory amin'ny famindrana ny serasera amin'ilay serveur vaovao satria izany araka ny voalaza dia mandeha tsara ny milina fa olana ankapobeny ilay nahatapaka azy iny. Inona ny zavatra hatao? Serveur vaovao : SV, Serveur taloha : ST Ampisaina amin'ny SV ny host mysql amin'ny ST Pointer-na amin'ny SV indray ny DNS Afindra amin'ny SV ny sary vao niova dia manao mise à jour (satria mbola ao amin'ny SV ny sary taloha) Tapahana ny takelaka ST sy SV mba tsy hisy hafatra very (ezahina ho 15 min io fahatapahana io) Atao mise à jour ny données ao amin'ny SV [Mbola tapaka ny takelaka] Ovaina ho host SV amin'izay il

Dedicated server

Collecting dedicated servers Meganetserve.com Tsy mbola malaza. Setup fee 49$, tsisy control panel. (whm/cp add 30$/month) Amen.fr Raha 512MB sy Plesk7.5 dia 70.76Euros (tsisy Setup fee) Olana: tsy mampiasa Paypal - frantsay -- Hery http://hery.serasera.org "Tsiky dia ampy" Tel +39 338 744 2412

Olana mémoire

Tsy nahomby ny famindrana ny serasera tao amin'ny serveur vaovao omaly. Rehefa nojerena dia olana ara-mémoire ilay izy. Amin'izao tsy misy serasera izao dia tsy mety mihoatra ny 50MB ny mémoire libre sur 508MB (Nampiasa commande free ) ao amin'ny serveur vaovao.

Tapaka ny serveur

Tapaka nandritra ny fotoana maharitra ilay serveur vaovao nametrahana ny serasera. Tsy mbola fantatro ny antony. Hojereko ao amin'ny log hoe inona no nitranga.  Nanao reboot avy ao amin'ny admin interface fa mbola tsy mandeha. Naverina ao amin'ny serveur teo aloha aloha mandra-pisian'ny antony mazava.     

Manomboka androany ny famindrana

Manomboka amin'izao fotoana izao izany ny famindrana ny serasera.org ho ao amin'ny serveur dédié. Mety hisy korotandrotana madinidinika mandrapahatongan'ny rahampitso toa izao. Marihana fa mandra-pifindran'ny DNS tanteraka dia mbola ao amin'ny serveur taloha ihany ny données rehetra MySQL no sintonina. Midika izany fa somary hiadana kokoa ny site. Heverina tsy haharitra ny fahatapahana (minitra vitsivitsy) satria mifindra fotsiny ny DNS fa ny takelaka efa tokony handeha daholo amin'ny toerana roa. Raha tafafindra ny serveur dia miova ity ambany ity Serveur serasera.org miasa : Toa izao no fizotran'ny asa 26/10/2005 13.34 Mampiditra ny fanovana farany tao amin'ny namana Manandrana raha mety tsara ny takelaka avy ary amin'ny serveur vaovao Mamindra ny DNS ... de miandry Nasiana sary famantarana ao amin'ny takelaka namana.serasera.org ahitana hoe efa serveur vaovao ve no miasa sa serveur tranainy. 27/10/2005 01:36 Mamindra ny sary mbol

Fomba hamindrana ny sql

Koa satria tsy mitovy ny version MySQL amin'ny serveur nisy ny serasera sy ny serveur vaovao dia ity ny fika hitako hanaovana ny famindrana ny données mysql tsy mila upgrade. - Manao dump-n'ny structures rehetra @ phpmyadmin (jerena tsara ilay hoe compatibilities) (A) - Manao dump normal @ command line (structures + data) (B) - Manao restaure an'ilay structures nalaina t@ phpmyadmin (A) - Manao mysqldump --force an'ilay data rehetra (B) ny dikan'ilay --force dia hoe na misy erreurs aza dia tohizo ihany ny query.

Transfering serasera

Miezaka mamindra tsikelikely ny serasera.org ao amin'ilay serveur vaovao aho. Tsy nisy fanovana natao t@ config. Misy olana hita momba ny mysqldump (tranainy kokoa ilay mysql serveur ao amin'ny serveur vaovao ka tsy raisiny ny mysqldump avy amin'ny serasera) mitady vahaolana hafa aho. cliquer ici

Backup a site

Some helps from my experiences on backing up a site. Backup for the home dir From the dir that you want to back up tar cvf - * | gzip > ~/backup-site.tar.gz Restore it tar -xvzf backup-site.tar.gz What is important with this backup is that permissions follow. Backup database (I used the mysqldump) mysqldump --user=your_user --password=your_pass --host=source_host --databases database1 database2 etc... | gzip > backupfile.gz Restore it gunzip < backupfile | mysql --user=db_user --password=db_password db_name

Serasera's big shift

Serasera.org prepares his big shift to a dedicated server. With the collaboration with Tsena LLC, serasera.org could get hosted into a 40Gigs (shared with Tsena LLC) server. One of the big advantages of this shift is space. We will be able to archive more things, meaning ability to create new services. I will start the transfer today. It may be accomplished before 1 week.

Namana.serasera.org ver. 3.0

Nampidirina ao amin'ny solaitra koa izany ny module vaovao hoe namana. Mazava ho azy, natao ho an'ny serasera ihany. Ny antony nampidirana azy ao dia mba ahafahana mampiasa ihany koa ny modules hafa ao amin'ny takelaka namana.serasera.org . Amin'izao fotoana izao izany dia efa mampiasa ny Solaitra daholo ny ankamaroan'ny takelaky ny serasera.org . Ny tsy mbola tafiditra dia ny forum.serasera.org sy ny serasera.org/tahiry ary serasera.org/lisitra . Ny hatao manaraka angamba dia ny fanamboarana ny takelaka lisitra.