29 mars 2005

Namana Version 1 niditra garazy

Nampidirina garazy izany ny namana.serasera.org tao voalohany. Ny fiovana nisy ankoatry ny endrika ivelany dia ny milina smarty izay nampiasaina manokana ho an'ny serasera.org rehetra.

26 mars 2005

Namana Version 2.0 (Beta)

Efa mivoaka sy azo andramana tsara ary izao ny site Namana Tao 2.0 Beta (Version 2.0 beta) Antsoina hoe Beta satria mbola tsy vita tanteraka kanefa efa azon'ny daholobe andramana ( Jereo eto ny fanazavana momba ny beta release)

Aiza no ahitana azy?
Inona avy ny zava-baovao?
Amin'ny ankapobeny
  • Novaina ny endriny ety ivelany izay mbola hatsaraina.
  • Nohafainganina ny takelaka. Hitanareo ery ambany ery ny hafainganany.
  • Tsy mampiditra tenimiafina isaky ny miova takelaka intsony.
Momba ny hafatra
  • Natao ho mora jerena ny lisitry ny hafatra voaray ary azo fidiana ny lisitra hojerena
  • Ny famakiana hafatra dia tsy misokatra varavarankely hafa intsony fa nohamoraina kosa. Rehefa mamaky hafatra ianao dia tsy miala eo ambany ny lisitry ny hafatra voaray ka tsy voatery manindry bokotra hafa
  • Toa izany koa ny famaliana hafatra. Tonga dia mipetraka eo ambanin'ny hafatra ny toerana famaliana azy.
  • Azo atao amin'izao fotoana izao ny manoratra ho an'ny namana maro. Asio faingo fotsiny manelanelana ny solonanarana tianao handefasana hafatra mitovy.
Momba ny sary
  • Tsy noferana intsony ny isan'ny sarin'ny namana azony apetraka. Marihana anefa fa hiha matotra kokoa ny sivana ho an'ireo izay mametraka sary tsy ara-dalàna.
  • Napetraka eo akaikin'ny mombamomba ny namana ny sariny. Marihana fa raha sary nataony ho an'ny namany manokana dia ny namany ihany no hahita azy
  • Napetraka eo amin'ny pejy fandraisana ny boaty misy hoe sary notsongaina. Io dia miova isaky ny 15 minitra ka mitsabo sary iray ao amin'ny sarin'ny namana... ankoatran'ny sary natokany ho an'ny namany ihany.
Momba ny biz'oroka
  • Naverina indray ilay fomba fampitomboana tahiry biz'oroka izay tsy nandeha teo aloha teo. Mandehana ao amin'ny Biz'oroka - Hampitombo tahiry (30/03/2005 12:32)
Ny zavatra mbola hatao?
  • Ho afaka mandefa tovana (pièce jointe) toy ny sary na tahirinkevitra (documents) miaraka amin'ny hafatra ho an'ny namana
  • Azo ho sokajiana ny namana manokana (namana bebe kokoa, namana tsotra, namana tsy foy sns)