21 mai 2015

Tononkalo sy Mpanoratra ankafizina

Fanatsarana kely nisy nangataka ity vita androany ity. Hoy ilay namana:
Tena misy mpanoratra tena mampiaiky ary tiako daholo ny asa sorany rehetra, mba iriko raha misy bokotra azo tsindriana hoe "Ankafiziko" ka haharaisako imailaka avy hatrany mitaona ahy hitsidika ny tononkalo vaovao izay nosoratan'io mpanoratra io. 
 Koa nanomboka izao dia afaka mankafy mpanoratra sy tononkalo isika ao amin'ny Vetso.serasera.org
Rehefa mijery mpanoratra na tononkalo dia misy sarina fo dia tsindrina iny raha hankafy. Lasa menamena ilay fo rehefa ankafizinao ny tonokalo na mpanoratra.



Raha efa mankafy an'ilay tononkalo na mpanoratra no manindry ilay fo menamena dia miala ao anaty lisitry ny ankafizinao ilay tonokalo na mpanoratra.




Rehefa mankafy mpanoratra ianao dia mahazo filazàna amin'ny alalan'ny email isaka ny misy mampiditra tononkalon'io mpanoratra io. Raha tsy te handray email dia afaka mandeha ao amin'ny lisitry ny mpanoratra ankafizinao dia esorina ilay valopy kely.