22 septembre 2003

Nivaha ny olana

Efa mandeha tsara ny site amin'izao fotoana izao. Ialana tsiny noho ny fahasimbana kely nisy hatry ny omaly alina tamin'ny 23h40.
Misaotra betsaka noho ny faharetana.
Hery

Nisy olana kely

Nanomboka omaly alahady dia misy olana kely ny site namana. Iangaviana isika haharitra kely fa efa nilazana ny tompon'andraikitra.

Misaotra betsaka.

Hery

12 septembre 2003

Mbola resaka hira ihany

- Hitanareo etsy ambony havanana etsy ny hira mandeha raha mandeha ny radio. Raha tsy mandeha ny radio dia misy hira azo henoina tsirairay ihany ao amin'ny http://hira.serasera.org .
- Ny ankamaroan'ny hira mandeha dia ezahina ny hametraka azy ao amin'ny tononkira. Rehefa mandahatra hira izany ianareo dia sady ho afaka hijery ny tonony ao amin'ny tononkira.

05 septembre 2003

Ny mampiavaka ny Radio Gasy Fun

- Ny fihainoana ny hira dia ao amin'ny http://hira.serasera.org dia tsindrio ilay hoe [Hihaino hira]
- Ny hira mandeha dia ny mpihaino no mandahatra azy. Rehefa tsy misy hira nofidin'ny mpihaino dia mandeha ny hira nomanin'ny mpikarakara.
- Hita ny lisitry ny hira handeha.
- Ndao ary hihaino hira Malagasy ao amin'ny http://hira.serasera.org

Hihaino hira gasy

Misy hira malagasy vitsivitsy azonao henoina ao amin'ny http://hira.serasera.org . Eo no misafidy hira fa ny mihaino dia ao amin'ny http://serasera.myftp.org:8000/listen.pls
Raha misy fanontaniana na fanamarihana dia ilazao i hery