21 juillet 2009

Takelaka foibe serasera


Navoaka androany ny takelaka foibe serasera.org izay mahafaoka ny takelaka hafa rehetra. Rehefa manokatra ny serasera.org dia miseho ery ankavia ery ny takelaka rehetra ao anatin'ny serasera.org dia ny Tononkira - Dinika forum - Vetso tononkalo - Lisitra - Wikianja - Takelaka.org - Radiovazogasy - Mailaka - Blaogy.org - Blaogy.com - Tahiry - Bizna - Lalao - Ohabolana - Resaka mivantana - Antsary - Tolotra - Baiboly - KlipGasy - Filazana manjò - Infogasy - Sarintava. Eo ampovoany kosa dia ny famintinana tsirairay ireo takelaka, araka izay ilaina.
Toy ny mahazatra dia andrana hatrany ny endrika fa ovaovaina araka ny sosokevitra avy amin'ny hafa sy ny fahitako azy ary ny météo :-p
Mazotoa hatrany.

Serasera 3/10/1999 - 3/10/2009


Folo taona izay no nitsirian'ny hevitra hanangana vondrona iray antsoina hoe serasera. Hampifandray ny Malagasy manerana ny tany amin'ny alalan'ny haitaon'ny internety. Maro ny hetsika eritreretina hatao mandritra izany dingana lehibe izany izay holazaina etsy ambany ny andinindininy.
Folo taona aty aoriana tokoa mantsy dia mamondrona takelaka am-polony, sy malagasy an'aliny ny serasera.org. Takelaka noezahina hatrany hifototra amin'ny maha Malagasy. Endrik'izany fandalàna ny maha Malagasy izany ny nametrahana hatrany am-boalohany ny hitenenan'ny takelaka rehetra eto amin'ny serasera ny teny malagasy. Azo atao hoe tanteraka ihany izany na dia eo ihany aza ireo takelaka vitsy izay voatery natao teny vahiny noho ny haitao ao anatiny tsy mbola voafehy amin'ny tenindrazana. Noezahina nolalaina hatrany koa ny foto-pisainana maha Malagasy ao anatin'ny fanajana ny firaisan-kina sy ny fihavanana, na dia voatery nampifanolana aza izany matetika. Koa mino aho fa nitondra "maha Malagasy" kely tao anatin'ny tsirairay ny ezaka efa natao sy mbola hotohizana hatrany eto amin'ny serasera.

Fisaorana

Tsy ho sasatra hatrany angamba ny serasera misaotra antsika tsirairay nandritra izay folo taona niarahana izay ary misaotra sahady ihany koa amin'ireo taona maro mbola hifanatrehana eto. Isaorana ireo namana tsy nahafoy hatrany am-boalohany izay nanohana hatrany. Tsy tamin'ny fampitaovana ihany, toy ny vola, fitaovana isan-karazany, fa hatramin'ny toro-hevitra sy ny fankaherezana tsy tapaka. Ireo namana izay fanovozan-kevitra vaovao, sy ireo izay "mpanandrana" ny tolotra rehetra haseho vahoaka. Misy tokoa mantsy ireo anontaniana antsisiny ny zavatra rehetra havoaka ho hitan'ny olona, alohan'ny tena hamoahana azy. Na ny loko, na ny endrika, na ny votoatiny. Ireo namana izay tsy tapaka manontany isanandro izay mety hanampiana... ary dia manampy tokoa. Ireo namana izay mampiely sy manaparitaka ny serasera amin'ny namany hafa... isika rehetra izay mampiasa tsy tapaka na tsindraindray ny serasera. Ary ireo mpiara-miasa izay mbola miara-miasa akaiky aminay amin'ny famelomana ireo takelaka rehetra eto amin'ny serasera. Isaorana daholo ianareo ary mbola mirary fiarahana maharitra hatrany.

Inona no hetsika 2009?

Misy vinavina vitsivitsy izay efa kotrehina amin'izao fotoana izao. Ny goavana indrindra angamba dia izay iarahan'ny serasera.org sy ny telomiova.org hankalazana manokana izany faha 10 taona izany. Haroso ho antsika tsikelikely eo ihany ny andinindininy. Ny ankoatr'izay amin'ny maha maneran-tany ny serasera.org dia ho henontsika miandalana eo ny fankalazana sy fihaonana isaky ny toerana. Tsy ho latsa-danja amin'izany ny ao Madagasikara izay ahitana ireo ao amin'ny fikambanana Namana Serasera Dago. Ho hita miandalana ao amin'ny Dinika momba ny Fety sy fihaonana ny filazana sy ny hetsika rehetra.

Mankaiza ny serasera?

Ny serasera.org dia takelaka tsy mety vita tanteraka :-). Miankina be dia be amin'ireo namana izay mampiasa azy ny fivoarany. Miankina be dia be amin'ny mpitsidika ihany koa izany ny fivoarany. Raha manana soso-kevitra dia azontsika atao hatrany no mandroso izany. Raha mieritreritra hanampy koa dia tsy mandà fanomezana izahay.
Manana anjara lehibe eo amin'ny fanabeazana ho olom-pirenena matotra ny serasera.org. Tsy voatery hirona amin'ny atsy na ny aroa fa kosa mirona amin'ilay soatoavina maha Malagasy mandàla hatrany ny fihavanana sy ny fifankatiavana. Efa nambara ombieny ombieny fa tsy manao politika ny serasera.org saingy miezaka kosa mampita izay fanabeazana ho olom-pirenena matotra izay, izay inoako fa ilain'ny rehetra na izay ho mpitondra na izay ho mpanohitra.
Izay ary fa dia mirary 10 taona manaraka ho antsika indray.

13 juillet 2009

Bizna



Vita tamin'ny weekend teo iny koa ny bizna.serasera.org izay takelaka efa nisokatra efa ho telo taona izay saingy nohavaozina tanteraka. Amin'izao dia mampiasa tanteraka ny solaitra ihany koa io takelaka io raha ny Joomla no nampiasaina teo aloha. Mba tsy haha vaovao be loatra ny mpitsidika dia natao mitovitovy amin'ny teo aloha ihany ny interface. Toerana fampidirana antso sy filazana samihafa moa ny bizna.serasera.org. Io izany no mitahiry ny petites-annonces eto amin'ny serasera.org. Rehefa hampiditra antso filazana dia mifidy sokajy (catégories) sy karazana (types). Ny sokajy ohatra dia hoe Fiara -> Mivarotra fiara, ny karazana kosa dia Fiara vaovao, fiara efa niasa, fiara tranainy.
Ao anatin'ny bizna.serasera.org koa amin'ny maha antso sy filazana azy dia ahitana sokajy momba ny fitadiavana namana, vady sns. Na dia hoe ny site namana.serasera.org aza no tena takelaka mikasika ny namana.

05 juillet 2009

Mbola antsary ihany

Vao roa andro izay no namoahana ny antsary.com dia efa mahatratra 1700 mahery sahady ny sary. Sary efa niangona niandry ilay antsary ho vita fotsiny.

Ireto ary ny fahana RSS momba ny sary raha toa ka mety hahaliana:

  • Ireo tahirintsary tonga farany
    http://antsary.com/album/rss


  • Tahirintsary notsongaina atsapaka
    http://antsary.com/album/rss/random


  • Sary 10 tonga farany
    http://antsary.com/album/sary/rss

  • Sary 10 notsongaina antsapaka
    http://antsary.com/album/sary/rss/random

03 juillet 2009

Serasera antsary


Navoaka androany ho hitam-bahoaka ny takelaka antsary.com. Takelaka iray natao hitehirizan'ny namana serasera sary isan-karazany. Ny namana tsirairay dia afaka manokatra tahirintsary izay tiany, rehefa mifanaraka fotsiny amin'ny lalàna ankapobeny. Ny tahirintsarin'ny namana tsirairay dia azo jerena ao amin'ny adiresy solonanarana.antsary.com
Ny tena tanjona dia ny hamondronana ao amin'io adiresy io ny toerana fampidiran-tsary rehetra eo amin'ny serasera, na any amin'ny namana izany na any amin'ny tononkira.
Mazava ho azy fa mbola tsy vita tanteraka io takelaka io kanefa efa mandeha tsara kosa. Mbola betsaka ny zavatra tiako hovaina fa aleo ao anatiny no manatevina.