Accéder au contenu principal

Articles

Affichage des articles du février, 2006

Tononkalo vakiraoka

Zava-baovao vao nampidirina ao amin'ny takelaka vetso.serasera.org Rehefa manoratra tononkalo ny namana iray dia tsy voatery tonga dia aseho ho hitan'ny olona fa mbola azo atao vakiraoka aloha. Amin'izay dia azo tohizana sy hatsaraina tsara vao aseho. Manomboka izao izany dia tsy voatery efa nahavita tononkalo iray feno vao afaka mampiditra... atomboka ny tononkalo dia rehefa tsy mbola vita dia tsindriana ilay hoe Vakiraoka. Ny lisitry ny tononkalon vakiraoka dia ery amin'ilay hoe Tononkalo vakiraoka eo amin'ny fanoroam-pejy.

Ho an'ny artista vao misondrotra

Anisan'ny tanjon'ny eto amin'ny serasera.org ny mampahafantatra ny artista vao misondrotra. Izany rahateo no nanaovana ny Radiovazogasy.com izay mandefa ny hiran'ireo artista ireo amin'ny alalan'ny internet. Ny Radiovazogasy.com dia mifanaraka ara-dalàna amin'ny OMDA. Ireto no zavatra azonao atao raha artista vaovao ianao. - Ampidiro ao amin'ny http://tononkira.serasera.org ny momba ny tarika na ny momba anao. - Ampidiro ao amin'io http://tononkira.serasera.org io ihany koa ny tononkira (paroles) n'ny hiranao mba ho fantatry ny olona - Mifandraisa amin'ny radiovazogasy@yahoo.fr raha misy hetsika karakarainao (spectacle, hamoaka CD sns) na koa misy vaovao manokana tianao hampitaina. - Raha efa namoaka CD moa ianareo dia azonao alefa ao amin'ny radiovazogasy@yahoo.fr ny sary fonon'ny CD sy ny mombamomba anareo. - Raha manana hira ianao na sombin-kira (extraits) dia azonao alefa ao amin'ny radiovazogasy@yahoo.fr ihany koa Misaotra He

Tetikasa Baiboly

Rehefa avy nifampiresaka tamin'i Mahefa ao amin'ny www.baiboly.org aho dia nieritreritra ny hampiditra dikanteny vaovao ao amin'io site io. Natomboka omaly ary ny fanangonana ny dikanteny katolika. Nisy anefa ny sosokevitra mba hametrahana koa ny DIEM (Dikanteny iombonana) koa natao koa izany alina ary nosokafana androany. Ireto izany ny tetikasa Baiboly amin'izao fotoana izao. Dikanteny Iombonana http://baiboly.serasera.org Dikanteny Katolika http://ws.loharano.org