24 février 2004

Vaovao mitambatra

Napetraka niaraka teto indray ny vaovao rehetra tahiry.


:: Tatitra ofisialy
(24-02-2004 - hery)
Voaray androany ary ny tatitra ofisialy momba ny fihaonan'ny namana tao amin'ny EPP Ampasanisadoda ny 15/02/2004 lasa teo. Efa heno ihany ny lazany fa nahafinaritra koa manainga antsika hamaky ny vaovao eto amin'ny rohy eto ambany sy hifampidinika amin'ny tetikasa vitsivitsy aroson'izy ireo ao.
Isaorana daholo izay nandray anjara.
http://forum.serasera.org/index.php?rub=viewthread&msgid=m403b3800e0c37 ary ny tatitra.

Hery
:: Te handray vaovao? (20-02-2004 - hery)
Navaozina tanteraka ny lisitry ny te handray vaovao eto amin'ny takelaka. Raha ohatra ianao ka te handray ny vaovao rehetra momba ny fanatsarana an'ity site ity dia mandehana etsy amin'ny fanoroam-pejy dia jereo ilay hoe [Handray vaovao]
Na ihany koa mandefasa email amin'ny
serasera-namana-subscribe@yahoogroupes.fr
na koa jereo ny rohy eto ambany

http://namana.serasera.org/?rub=newsignup

Izany no natao dia hanatsarana hatrany ny takelaka. Misaotra betsaka.
:: Jery todiky ny tetikasa sy vinavina (19-02-2004 - hery)
Miarahaba ny rehetra.

Manararaotra manoratra kely fotsiny manentana antsika hanao jery todika kely ny fihaonana izay nataon'ny Namana tato ho ato. Misy forum izay nosokafana ity ambany ity ka azonareo ampidirina ao ny zavatra tsy nety sy ny zavatra nety ary indrindra indrindra ny sosokevitra hanatsarana ny ho avy.
Inoako fa horaisin'ny birao sy isika rehetra ho fanatsarana avokoa izany fa tsy ho fanakianana be fahatany na fandokafana be fahatany akory.
http://forum.serasera.org/index.php?rub=viewthread&msgid=m4031f4533a9b8 ilay forum

Misaotra.
:: Tatitry ny fihaonan'ny namana (16-02-2004 - hery)
Mbola ho avy ny tatitra fa ity misy lahatsoratra nivoaka tamin'ny gazety momba ny fihaonan'ny namana tamin'ny alahady 15 febroary teo.
Nalaina toa amin'ny La Gazette de la Grande Ile
http://lagazette-dgi.com/simu/dev.php?id=14908

---------
Culture

Internautes
16/02/2004
Rencontre des « Namana »

Les internautes membres de l’association Namana se sont donnés rendez-vous à l’Epp Ampasanisadoda pour la traditionnelle présentation de vœux. A vrai dire, ce sont les fidèles visiteurs du site www.namana.serasera.org. Depuis la fin de l’année 2003, ils se sont regroupés au sein d’une association. Il s’agit des deuxièmes retrouvailles. Selon le président Lucien Robia, le but de cette rencontre est de concrétiser la relation virtuelle. A première vue, on dirait que la glace n’est pas encore brisée entre les membres, vu qu’ils ne se sont jamais croisés physiquement. Espérons que la prochaine rencontre sera plus animée. Or, le nombre d’adhérents continue son ascension. Il importe de souligner que l’administrateur du site vérifie régulièrement l’assiduité des membres à visiter le site, au risque de voir leur compte désactivé. A noter que ce site est activé depuis 5 ans environ.

Mbolatiana
:: Fihaonana Fifampiarahaban'ny namana (07-02-2004 - hery)
Hanao fifampiarahabana sy firariantsoa tratran'ny taona ny namana ao Antananarivo sy ny manodidina amin'ny alahady 15 febroary ho avy izao. Amin'ny 1ora tolakandro ka hatramin'ny 6ora hariva.

Toerana: EPP Ampasanisadoda, toerana tsy lavitra an'i Mascot, lalana midina avy @ Tunnel mankany Ankatso.

Fandraisana anjara: ny tsirairay dia samy mivimbina izay zakany ho an'ny tsakitsaky sy ny zava-pisotro. ny birao koa dia manomana zavatra kely ho fanamarihana ny tonon-taona, hiaraha mifampirary ny soa sy ny mamy ho an'ny namana rehetra.

Eo koa no hanatanterahana ilay vinavina "échange de cadeaux." marihina fa tsy tokony latsaky ny roa arivo (10.000 fmg) ny sandan'ny fanomezana omanin'ny tsirairay.
Tsy natao ho sakana ho antsika ny tsy fivimbinana ny fanomezana ifanakalozana.
ny tsy fisian'ny fanomezana dia tsy mahasakana ny hetsika hotanterahina.

Iangaviana isika rehetra mba samy ho marim-potoana.
Voafetra ny fotoana hiarahantsika mifaly.

Contacts: Mme Voahirana, tel: 033 12 609 87.
na Mme Mireille, Porte 110, INSTAT.


Misaotra antsika rehetra ny birao,

Manantena fiaraha-miasa.

Jereo eto amin'ny forum eto ambany ny fanazavana fanampiny
http://forum.serasera.org/index.php?rub=viewthread&msgid=m401a96348d9b5

Tongava daholo oe
:: HELLO = Virus fa aza sokafana (06-02-2004 - hery)
Gaga aho androany maraina fa nahazo email avy amin'ny adiresy hery@serasera.org misy lohateny hoe [Namana] Hello
Hitako avy hatrany hoe virus io koa miangavy antsika hamafa azy fotsiny tsotra izao. Aza sokafana akory raha ohatra ka mahavoaray azy ianareo.
Tsy avy aty amiko io hafatra io satria voaaro 100% tamin'ny anti-virus farany ny ordinaterako fa ny asan'ilay virus Mydoom-Novarg moa dia manova ny mpandefa ka ohatry ny hoe tena izaho no nandefa azy.
Koa miala tsiny aminareo rehetra
:: Fifampiaraban'ny Namana. (30-01-2004 - hery)
Antony: fifampiarahabana tratry ny taona vaovao, firarian-tsoa ho an'ny tsirairay.

Fotoana: Alahady hariva 15 febroary izao no hatao lay hetsika. Manomboka @ 1ora tolakandro ka faranana (tsy maintsy) @ 6 ora hariva.

Toerana: EPP Ampasanisadoda, toerana tsy lavitra an'i Mascot, lalana midina avy @ Tunnel mankany Ankatso.

Fandraisana anjara: ny tsirairay dia samy mivimbina izay zakany ho an'ny tsakitsaky sy ny zava-pisotro. ny birao koa dia manomana zavatra kely ho fanamarihana ny tonon-taona, hiaraha mifampirary ny soa sy ny mamy ho an'ny namana rehetra.

Eo koa no hanatanterahana ilay vinavina "échange de cadeaux." marihina fa tsy tokony latsaky ny roa arivo (10.000 fmg) ny sandan'ny fanomezana omanin'ny tsirairay.
Tsy natao ho sakana ho antsika ny tsy fivimbinana ny fanomezana ifanakalozana.
ny tsy fisian'ny fanomezana dia tsy mahasakana ny hetsika hotanterahina.

Iangaviana isika rehetra mba samy ho marim-potoana.
Voafetra ny fotoana hiarahantsika mifaly.

Contact: Mme Voahirana, tel: 033 12 609 87.
na Mme Mireille, Porte 110, INSTAT.


Misaotra antsika rehetra ny birao,

Manantena fiaraha-miasa.
:: Lohahevitra vaovao : Fety (28-01-2004 - admin)
Nanaovana lohahevitra manokana ny fety sy lanonana mety hihaonan'ny namana. Raha manana hetsika na fety mety hihaonana ianareo dia ampidiro ao.
Lohahevitra Fety sy fihaonana
http://forum.serasera.org/?rub=viewtopic&topid=t40182fe946d07

:: Lohahevitra Antson'ny Fo (09-01-2004 - hery)
Jereo ao amin'ny Forum fa nasiana lohahevitra vaovao ho an'izay te hanao antson'ny fo... antsom-pitiavana. Dia raha misy tafita dia manorata ao amin'ny vavolombelona hi hi hi.
Jereo eto ambany ilay forum
http://forum.serasera.org/index.php?rub=viewtopic&topid=t3ffe9224ad598
:: Vita soa amantsara ny fety 28-12-2003 (30-12-2003 - hery)
Araka ny tatitra vonjy maika izany dia vita soa amantsara ny fety tamin'ny alahady 28 desambra lasa teo na dia nisy aza ny zavatra nanahirana. Afa-po ny namana izay tonga tany. Isaorana ny rehetra nandray anjara. Mbola mitohy hatrany ny hetsika hamondronana ny namana.
Ho avy tsy ho ela ny tatitra feno.
:: Fandaharam-potoana 28-12-2003 (27-12-2003 - hery)
Toa izao ny fandaharam-potoana amin'ilay fety rahampitso ao Restaurant
Vatomanga 67ha.
Marihana mialoha fa natokana ho an'ny rehetra izy io, izany hoe ny namana
mpikambana sy ireo izay namantsika any rehetra any na dia tsy mpikambana
aza. Ity fandaharam-potoana ity dia ahitana fa korana fifankahafantarana sy
fihaonana no hatao ka manasa antsika rehetra ho tonga.

- Fandraisana (amin'ny 13 heures)
- Teny fandraisana sy fampidirana
- Fifankahafantarana (ny namana sy ny vahiny)
- Teny fifampiarahabana avy amin'ny Birao
- Afindrafindrao
- Tantara kely momba ny namana
- Korana sy dihy isan-karazany
- Hisy fotoana hiantsoana ny namana hiara-mandihy miaraka (dia mirindra)
- Hisy fotoana ihany koa hiantsoana ny vahiny handihy (hanafana ny sehatra)
- Tirage au sort (atsapaka) ho an'ny Tombola (intelo miantoana)
- Teny famaranana sy fisaorana ary veloma
- Dihy iarahana.

Momba ny tombola dia ireto avy ny loka ho azo.


1° lot : une imprimante
2° lot : un lecteur de Vcd
3° lot : (surprise)

il y aura aussi des lots diverses qui ne sont pas moindre :
des téléphones portables (2)
des fers à repasser (4)
des ventilateurs
des séries de verres
des bouteilles de champagne…

Dia miandry ny fahatongavantsika rehetra ary. Ao amin'ny Restaurant
Vatomanga 67 ha no fotoana. (Ho an'izay tsy mahita dia avy aty Vasakôsy -
Antohomadinika no fidirana).
Mbola misy fivarotana billet eo amin'ny fidirana.
Fampatsiahivana.
Fandraisana anjara (billet) : 20.000 ny tsy mpianatra
10.000 fmg (roa arivo ariary) ny mpianatra mitondra carte d'identité
scolaire manankery :)

Izay ary fa dia mirary soa antsika rehetra hatrany e.

Ny birao...
:: Hafatra tahiry (13-12-2003 - hery)
Nampidirina ny resaka hafatra tahiry.
Ny hafatra izay tena ilainao hotehirizina dia tsy maintsy ampidirina ao amin'ny hafatra tahiry.
Ny hafatra rehetra efa voavaky ka tsy ao anatin'ny hafatra tahiry dia voafafa ao anatin'ny 30 andro aorian'ny namakiana azy. Manomboka androany ny fikaontiana.
Marihana fa azonao afindra any amin'ny adiresy imailaka (email) ihany koa ny hafatra voarainao.
:: Resaka mivantana ho an'ny rehetra (08-12-2003 - hery)
Amin'izao fotoana izao dia azon'ny rehetra hidirana amin'izay ny resaka mivantana. Ireo tsy afaka nampiasa Asterochat noho ny olana ara-teknika dia afaka mampiasa an'ilay CGI-chat eo akaikiny eo.
Midira ao amin'ny http://chat.serasera.org dia mifandraisa aminay rehetra ao.
:: Tatitry ny fihaonana 29/11/2003 (05-12-2003 - hery)
Azonareo jerena eto amin'ny rohy eto ambany ny tatitra tamin'ny fihaonana t@ 29 novambra 2003 teo

http://namana.serasera.org/index.php?rub=special/20031129

Mazotoa dia misaotra an'ireo izay tonga tany.
:: Fampidirana sy fanalana sary (22-11-2003 - admin)
Nisy zavatra mbola hadino tamin'ny fanalana sary vokatry ny fifindra-monina. Efa mety tsara izy amin'izao fotoana izao. Azo esorina amin'izay ny sary taloha.
Misaotra.