02 mai 2009

Ny resaka xxx eo amin'ny dinika

Efa 6 taona izay no nisian'ny forum.serasera.org amin'izao endriny izao... izany hoe nisy xxx.
Efa imbedia be no nisy resaka hoe esorina ve ny xxx (ilay hoe Tsy lazaina) sa tsia.
Efa nandramana nesorina ny xxx nandritra ny 1 volana tamin'ny roa taona.

Taorian'ireo rehetra ireo dia tapaka ihany ny hevitra hoe aleo tazomina ny xxx.

Ny antony isian'ny xxx dia:

- Mba betsaka ny olona matotra eto (mampiasa solonanarana anakiray tsy miova hatramin'izay 6 taona nidirany teto). Efa be mpahafantatra izy ireo noho izany. Ka rehefa mba misy lohahevitra délicat kely ampidiriny (ara-pahasalamana, ara-politika, sns.) ka tsy tiany hiseho ilay solonanarana izay manjary efa hahafantarana azy hatrany amin'ny fihaonana isankarazany, dia mampiasa xxx izy.

- Raha esorina ny xxx dia voatery mampiasa kaonty roa ireo olona mba matotra ireo.

- Na esorina aza ny xxx dia afaka misoratra anarana imbetsaka ny olona iray dia mitovy amin'ny xxx ihany rehefa tsy tiana ho fantatra. Dia afaka manaratsy sy migafy ihany sns.

- Ny solonanarana ao ambadiky ny xxx dia fantatry ny mpandrindra ny dinika ka mbola voafehy ihany ny fampiasana azy tsy araka ny tokony ho izy.

Fantatro fa mbola hisy hanontany indray ity afaka 2 na 3 taona any ka tehiriziko eto ity dia copier-coller fotsiny :-)