29 juillet 2003

Hafatra lasa

Araka ny email efa nalefa tany amin'ny namana tsirairay avy (izay tsy mahazo an'izany email izany dia afaka manoratra aty aminay) sy nifampidinihana tamin'iny volana jiona sy volana jiolay iny. Ka notohizana tao amin'ny forum http://forum.serasera.org/index.php?rub=viewthread&msgid=m3eee0b6c7bcfd dia nanapakevitra izahay fa ny hafatra nalefantsika nandritra ny 10 andro farany ihany no hotehirizina ao amin'ilay hoe [Ny hafatra lasa] etsy amin'ny fanoroam-pejy. Ny momba ny hafatra voaray aloha dia tsy hokitihana hatramin'izao. Raha misy manana sosokevitra dia azontsika atao ny mandeha ao amin'ny forum http://forum.serasera.org/index.php?rub=viewthread&msgid=m3eee0b6c7bcfd
Dia misaotra izay rehetra nanome hevitra.

10 juillet 2003

Album - tahirintsary

Azonao jerena etsy amin'ny fanoroam-pejy ny sary rehetra napetraky ny namana. Dia mba mametraha ny sarinao koa e.