28 mai 2010

Dinika manokana lasa Vondrona

Nesorina tao amin'ny Dinika serasera.org http://forum.serasera.org ny dinika manokana. Manomboka izao dia lasa forum tsotra ny ao. Ny dinika manokana teo aloha kosa dia nafindra ao amin'ny Vondrona http://namana.serasera.org/vondrona izay hahafahan'ny tsirairay mamorona vondrona, mametraka lahatsoratra ao anatin'ny vondrona misy azy sy mametraka sary.

07 mai 2010

Zavabaovao Volana mey

Soratako eto tsikelikely izay zavatra vaovao vita volana mey.

Site Namana.serasera.org
- Rehefa mametraka eritreritra mandalo mikasika namana iray dia azo apetraka ny solonanarany fa misy @ miaraka aminy. Ohatra hoe @hery. Handray hafatra izy hoe voalaza ao amin'ilay eritreritra mandalo.
- Mahazo hafatra koa ny mpametraka hevitra amin'ny eritreritra mandalo rehefa misy mamaly ny hevitra.

Radiovazogasy
- Mandeha indray ny Archives http://radiovazogasy.com/radio/archives