05 novembre 2005

Tovana ao amin'ny hafatra

Vita soa amantsara indray ny tovana ao amin'ny hafatra. Manomboka izao dia azo atao ny mametraka tovana (pièce jointe) iray rehefa mandefa hafatra.

Ahoana no fomba fandefasana tovana?
Rehefa handefa hafatra ianao dia misy hoe Tovana :. Tsindrio ilay bokotra eo ampitan'io soratra io dia tadiavo ao amin'ny ordinatera na amin'ny diskety ny tovana tianao halefa.

Inona avy ny tovana azo alefa?

Ny tovana azo alefa dia ireo tovana "jpeg", "jpg", "gif", "bmp", "png", "zip", "pdf", "doc", "xls". Ny ankoatra an'ireo dia tsy hotafiditra sy tsy ho lasa miaraka amin'ny hafatra.

Misy fetrany ve ny habe-n'ny tovana?
Ny habe-n'ny tovana azo alefa dia 500kb. Tsy ho lasa ny tovana mihoatra an'io.

Dia ahoana koa?
Raha misy fanontaniana fanampiny dia mandehana etsy amin'ny Fanontaniana sy valiny. Tsindrio eto

--
Hery
http://hery.serasera.org
"Tsiky dia ampy"
Tel +39 338 744 2412

Aucun commentaire: