Accéder au contenu principal

Articles

Affichage des articles associés au libellé tantara

Toe-draharaha Karajia.org

Efa andro vitsivitsy izay no niadiana tamin'ireo bandy  mpigafy ao amin'ny karajia.org . Efa nisy ihany ireo fepetra noraisina vitsivitsy saingy tsy afaka manoatra firy satria manjary betsaka koa ny ankizy voasakana raha tena ampiharina daholo ny fitsipiky ny aro loza rehetra. Ny hirariana fotsiny dia mba ho eo hatrany ny ops rehefa raikitra ny fanafihana satria azon'ny op sakanana ihany ilay izy. Fa toa izao ny zavatra kely azo zaraina momba io karajia.org io. Nanomboka tamin'ny 22 janoary 2010 dia naka lohamilina (serveur) manokana ho azy ny karajia.org rehefa avy nampiasa ny tambazotra (reseau) epiknet.org nandritra ny 7 taona. (Tamin'ny 2003 tokoa mantsy no nanomboka nisy chat teto amin'ny serasera ka tao amin'ny epiknet.org no nangataka trano.) Tsy dia sarotra loatra ny nametraka ilay lohamilina satria natao faran'izay tsotra. Araka ny nolazaiko dia tsy dia nandaniana andro be loatra ny resaka fiarovana satria tsy noheverina hisy hanafika izany ...

Takelaka foibe serasera

Navoaka androany ny takelaka foibe serasera.org izay mahafaoka ny takelaka hafa rehetra. Rehefa manokatra ny serasera.org dia miseho ery ankavia ery ny takelaka rehetra ao anatin'ny serasera.org dia ny Tononkira - Dinika forum - Vetso tononkalo - Lisitra - Wikianja - Takelaka.org - Radiovazogasy - Mailaka - Blaogy.org - Blaogy.com - Tahiry - Bizna - Lalao - Ohabolana - Resaka mivantana - Antsary - Tolotra - Baiboly - KlipGasy - Filazana manjò - Infogasy - Sarintava . Eo ampovoany kosa dia ny famintinana tsirairay ireo takelaka, araka izay ilaina. Toy ny mahazatra dia andrana hatrany ny endrika fa ovaovaina araka ny sosokevitra avy amin'ny hafa sy ny fahitako azy ary ny météo :-p Mazotoa hatrany.

Serasera 3/10/1999 - 3/10/2009

Folo taona izay no nitsirian'ny hevitra hanangana vondrona iray antsoina hoe serasera. Hampifandray ny Malagasy manerana ny tany amin'ny alalan'ny haitaon'ny internety. Maro ny hetsika eritreretina hatao mandritra izany dingana lehibe izany izay holazaina etsy ambany ny andinindininy. Folo taona aty aoriana tokoa mantsy dia mamondrona takelaka am-polony, sy malagasy an'aliny ny serasera.org. Takelaka noezahina hatrany hifototra amin'ny maha Malagasy. Endrik'izany fandalàna ny maha Malagasy izany ny nametrahana hatrany am-boalohany ny hitenenan'ny takelaka rehetra eto amin'ny serasera ny teny malagasy. Azo atao hoe tanteraka ihany izany na dia eo ihany aza ireo takelaka vitsy izay voatery natao teny vahiny noho ny haitao ao anatiny tsy mbola voafehy amin'ny tenindrazana. Noezahina nolalaina hatrany koa ny foto-pisainana maha Malagasy ao anatin'ny fanajana ny firaisan-kina sy ny fihavanana, na dia voatery nampifanolana aza izany matetika. Koa m...