Accéder au contenu principal

Articles

Affichage des articles associés au libellé Namana

Namana Serasera - 20 taona

Raha tamin'ny 1999 no niorenan'ny serasera.org manontolo dia ny 19 oktobra 2002 kosa no nisokatra ny takelaky ny namana.serasera.org Feno 20 taona amin'ity taona 2022 ity izany ny namana.serasera.org izay takelaka tena nifandraisana ka nifankahalalan'ny mpikambana maro. Tamin'io 19 Oktobra io ary dia navoaka ho hitam-bahoaka ny takelaka namana.serasera.org. Mazava ho azy fa izaho no nisoratra anarana voalohany :-) dia nisy ankizy vitsivitsy akaiky ahy koa (izay niala dia avy eo niditra dia tsy voatahiry ny momba azy taloha). Tapa-bolana taty aoriana dia  55  no isan'ny namana (aza mihomehy). Dia noezahina nohatsaraina teny foana. Amin'izao fotoana izao dia mahatratra  103.016  eo ho eo ny namana ary mitombo hatrany. (araka ny hita ao amin'ny login.serasera.org) Misaotra anao nanaiky ho namana...  dia maniry ny hitohizan'izany hatrany. Tsy tokony mba hisy hetsika vitsivitsy ve amin'io volana oktobra io ? Haninona anefa :-) Toa izao ny fitantarana ...

Youtube amin'ny hafatra sy eritreritra mandalo

Toa izao no fametrahana video eto amin'ny eritreritra mandalo. Hatramin'izao aloha dia mbola Youtube ihany no azo apetraka fa mbola hatsaraina amin'ny manaraka. Raha te hametraka video Youtube dia jereo ilay lien omen'ny Youtube. Ohatra hoe http://www.youtube.com/watch?v=8kxC8CzwIOY  dia alaivo ilay code aorian'ny  v=  izany hoe ilay 8kxC8CzwIOY  eto amin'ny ohatra dia ataovy ao anatin'ny  [you tube]  sy  [/you tube]  tsy asiana elanelana. Izany hoe toa izao  [you tube] 8kxC8CzwIOY [you tube] Dia toa izao no hiseho eo amin'ny eritreritra mandalo rehefa sokafana.

Mirindra tsikelikely ny namana.serasera.org

Taorian'ny fikorontanana kely nandritra fanavaozana ny takelaka namana.serasera.org dia azo lazaina fa efa milamindamina amin'izao ny takelaka. Efa mandeha tsara ny fitadiavana namana sy ny lisitry ny namana izay navesatra dia navesatra teo. Ireto avy ny zava-baovao aloha hatramin'izao. Ny chat (Mbola tsy mandeha) Amin'izao dia azo atao ny miresaka mivantana amin'ireo namana mandalo eto amin'ny takelaka. Mandritra ny andrana dia azo iresahana daholo ny namana rehetra. Rehefa vita kosa ny andrana dia ao amin'ny mombamomba anao no anekenao hoe iza no afaka mi-chat aminao. Raha hi-chat amin'ny namana iray dia misy fomba roa: Tsindrio ilay Bulle kely eo akaikin'ny solonanaran'ny namana hiresahana Tsindrio ny solonanarany dia ao amin'ny mombamomba azy misy hoe Hiresaka mivantana Ny vakiraoka Manomboka amin'ity tao vaovao ity ihany koa dia misy vakiraoka (brouillon) ny hafatra. Izany hoe tsy voatery alefa avy hatrany fa tehirizina aloha dia to...