Accéder au contenu principal

Articles

Affichage des articles associés au libellé serasera

Takelaka foibe serasera

Navoaka androany ny takelaka foibe serasera.org izay mahafaoka ny takelaka hafa rehetra. Rehefa manokatra ny serasera.org dia miseho ery ankavia ery ny takelaka rehetra ao anatin'ny serasera.org dia ny Tononkira - Dinika forum - Vetso tononkalo - Lisitra - Wikianja - Takelaka.org - Radiovazogasy - Mailaka - Blaogy.org - Blaogy.com - Tahiry - Bizna - Lalao - Ohabolana - Resaka mivantana - Antsary - Tolotra - Baiboly - KlipGasy - Filazana manjò - Infogasy - Sarintava . Eo ampovoany kosa dia ny famintinana tsirairay ireo takelaka, araka izay ilaina. Toy ny mahazatra dia andrana hatrany ny endrika fa ovaovaina araka ny sosokevitra avy amin'ny hafa sy ny fahitako azy ary ny météo :-p Mazotoa hatrany.

Serasera 3/10/1999 - 3/10/2009

Folo taona izay no nitsirian'ny hevitra hanangana vondrona iray antsoina hoe serasera. Hampifandray ny Malagasy manerana ny tany amin'ny alalan'ny haitaon'ny internety. Maro ny hetsika eritreretina hatao mandritra izany dingana lehibe izany izay holazaina etsy ambany ny andinindininy. Folo taona aty aoriana tokoa mantsy dia mamondrona takelaka am-polony, sy malagasy an'aliny ny serasera.org. Takelaka noezahina hatrany hifototra amin'ny maha Malagasy. Endrik'izany fandalàna ny maha Malagasy izany ny nametrahana hatrany am-boalohany ny hitenenan'ny takelaka rehetra eto amin'ny serasera ny teny malagasy. Azo atao hoe tanteraka ihany izany na dia eo ihany aza ireo takelaka vitsy izay voatery natao teny vahiny noho ny haitao ao anatiny tsy mbola voafehy amin'ny tenindrazana. Noezahina nolalaina hatrany koa ny foto-pisainana maha Malagasy ao anatin'ny fanajana ny firaisan-kina sy ny fihavanana, na dia voatery nampifanolana aza izany matetika. Koa m...

Serasera antsary

Navoaka androany ho hitam-bahoaka ny takelaka antsary.com . Takelaka iray natao hitehirizan'ny namana serasera sary isan-karazany. Ny namana tsirairay dia afaka manokatra tahirintsary izay tiany, rehefa mifanaraka fotsiny amin'ny lalàna ankapobeny. Ny tahirintsarin'ny namana tsirairay dia azo jerena ao amin'ny adiresy solonanarana.antsary.com Ny tena tanjona dia ny hamondronana ao amin'io adiresy io ny toerana fampidiran-tsary rehetra eo amin'ny serasera, na any amin'ny namana izany na any amin'ny tononkira. Mazava ho azy fa mbola tsy vita tanteraka io takelaka io kanefa efa mandeha tsara kosa. Mbola betsaka ny zavatra tiako hovaina fa aleo ao anatiny no manatevina.

Fitaovana ampiasain'ny serasera.org

Mahafaly ny milaza amintsika fa nampitomboina iray indray ny lohamilina (serveur) miasa eto amin'ny serasera. Izany no natao dia mba hanatsarana hatrany ny tolotra aroso ho antsika. Amin'izao fotoana izao izany dia misy serveurs dédiés 5 ampiasain'ny serasera. - 1 ampiasain'ny takelaky ny domaine serasera.org - 1 ampiasain'ny radiovazogasy.com (site sy serveur manaparitaka ny feo) - 1 ampiasain'ireo site hafa (blaogy, dokambarotra sy ireo takelaka vitsivitsy ampiantranoin'ny serasera) - 1 ao antranon'i JM sy Lanto misy ny hira rehetra (7000 latsaka) sy misy ny DJ mandrindra ny hira mandeha - 1 vao azo izay hasiana ny hanampiana ny serveur ao amin'i JM. Isaorana be dia be ireo rehetra miara-miasa amin'ny fitantanana sy fandrindrana ireo rehetra ireo. Indrindra fa ry zareo any Strasbourg izay miara-misalahy akaiky. Namana maromaro ihany koa no miara-miasa hampandeha ity serasera ity na dia tsy eo amin'ny ara-pitaovana aza. Manamarina ny sary mi...