06 mars 2006

Blaogy.com - Tolotra vaovao

Naseho masoandro androany indray ny Blaogy.com, tolotra vaovaon'ny serasera.org. Toerana ahafahan'ny mpikambana tsirairay ao amin'ny serasera manana ny blaoginy manokana. Blaogy, tahirintsary sy maro hafa ihany koa.
Mbola Version Beta ihany io fa sady manatsara azy izahay.
Raiso ary ny anjara blaoginao ao amin'ny http://blaogy.com
Ireto avy ny zavatra atolotry ny Blaogy.com amin'izao fotoana izao... ary tsy mitsaha-mitombo izany.
  • Endritsoratra hita avy hatrany
    Rehefa manoratra ianao dia hitanao avy hatrany na hataonao matevina na sora-mandry na voatsipika na voatsipika koa ny teny.
  • Fampidirana sary
    Mora dia mora ny fampidirana sary. Azonao alaina avy ao amin'ny Rakitra (Ressources) na sary efa mipetraka any amin'ny toeran-kafa.
  • Lahatsoratra isaky ny sokajy
    Izany hoe avondrona isaky ny sokajy ny lahatsoratrao tsirairay.
  • Hevitra isaky ny lahatsoratra
    Misy toerana ahafahan'ny mpitsidika mametraka hevitra amin'ny lahatsoratra napetrakao ao amin'ny blaoginao. Azonao amboarina mba hahazo filazana ianao isaky ny misy mametraka hevitra amin'ny lahatsoratra. Ary azonao atao ny manaiky na tsia ny fametrahana hevitra.
  • Vakiraoka
    Mbola azonao tsy avoaka ny lahatsoratra nosoratanao fa azonao tehirizina ao anaty vakiraoka.
  • Tahirintsary
    Eny, afaka manana tahirintsary ihany koa ianao hametrahanao ny sary isankarazany.
  • Endrika isankarazany
    Misy endrika isan-karazany azonao isafidianana, ary azonao ovaina hatrany. Raha misy endrika mety mahaliana anao hafa ihany koa kanefa tsy ao anaty lisitra dia azonao ilazàna izahay dia ezahina hampidirina.
  • Mampiasa teny maro
    Raha tianao hiteny hafa ankoatra ny malagasy ny blaoginao dia afaka misafidy teny hafa ihany koa ianao.
  • Sy ny sisa
    Mbola misy zavatra hafa izay hapetraka tsikelikely ihany koa fa miankina amin'ny filàn'ny tsirairay...