04 juin 2008

Fete de l'internet

Handray anjara ao amin'ny stand-n'ny Jojopil/Telomiova ny Serasera.org sy ny Infogasy.net. Ny Telomiova.org moa dia tetikasa hanampiana bebe kokoa ny ankizy mpianatra sy ny mpampianatra eo amin'ny fampiasana ny Internet. Koa rariny raha mandray anjara amin'ny Fete de l'Internet izy amin'izany. Anisan'ny manohana sy mandray anjara mivantana amin'ny tetikasa Telomiova.org ny eto amin'ny serasera koa misy ireo namana serasera izay mandray anjara mivantana ao amin'ny stand-n'ny Telomiova/Jojopil.
Inoana fa hitondra soa ho an'ireo mpitsidika izao fandraisan'ny serasera.org anjara izao ary hanampy be dia be amin'ny tetikasa Telomiova.org

1 commentaire:

Anonyme a dit…

pourquoi pas:)