22 juin 2009

Efa nanandrana nampiditra tononkira?

Raha manana 5 minitra kely ianao ka te hampiditra tononkira ao amin'ny tononkira.serasera.org dia ity misy fomba iray azonao atao... tsotra dia tsotra:
1. Jereo aloha ny lisitry ny hira miandry ao amin'ny Radiovazogasy.com Jereo eto dia mifidiana hira iray izay tianao hampidirina ny tononkira.
2. Jereo ao amin'ny tononkira raha toa ka mbola tsy ao ilay hira nofidinao Jereo eto ny lisitry ny hira. Raha efa ao dia mifidiana hira hafa indray.
3. Mandraisa penina sy taratasy, na koa omany ny ordinatera hanoratana azy.
4. Andraso ao amin'ny Radiovazogasy ilay hira. Tsindrio ny bouton play eto ambany dia andraso handeha ilay hira.


5. Rehefa mandeha ilay hira dia azonao tsindriana ny Pause rehefa manoratra ianao dia manindry Play indray rehefa hanohy
6. Ampidiro ao amin'ny tononkira.serasera.org amin'izay Jereo eto raha hampiditra tononkira.

Aucun commentaire: