21 juillet 2009

Takelaka foibe serasera


Navoaka androany ny takelaka foibe serasera.org izay mahafaoka ny takelaka hafa rehetra. Rehefa manokatra ny serasera.org dia miseho ery ankavia ery ny takelaka rehetra ao anatin'ny serasera.org dia ny Tononkira - Dinika forum - Vetso tononkalo - Lisitra - Wikianja - Takelaka.org - Radiovazogasy - Mailaka - Blaogy.org - Blaogy.com - Tahiry - Bizna - Lalao - Ohabolana - Resaka mivantana - Antsary - Tolotra - Baiboly - KlipGasy - Filazana manjò - Infogasy - Sarintava. Eo ampovoany kosa dia ny famintinana tsirairay ireo takelaka, araka izay ilaina.
Toy ny mahazatra dia andrana hatrany ny endrika fa ovaovaina araka ny sosokevitra avy amin'ny hafa sy ny fahitako azy ary ny météo :-p
Mazotoa hatrany.

2 commentaires:

ravatorano a dit…

za manokana izany dia midera sy mankahery an 'i hery hatrany amin'ny fanatsarana ny takelaka ary koa miandry ilay fety hatao amin'ny fankalazana ny fahafolo taonan'ny serasera.org !

tsik d amp

fahamarinana a dit…

Izaho manokana koa dia manamafy ny voalazan'ny Razoky Ravatorano amin'ny fankaherezana anareo. Dia miandry ilay fety malaza !...euh...raha eto paris fa tsy lavitra loàtra arô ! hihi
Faha