07 octobre 2009

Izay folo taona izay

Dia naverimberina tetsy sy teroa fa feno 10 taona ny serasera. Dia nanao hetsika be na ny taty Eoropa na ny tany Dago tamin'ny 2 sy 3 oktobra teo ho fanombohana ny fankalazana. Nahafinaritra daholo ny fankalazana. Ambondrona no tao Parisy, Vontovorona ny tany Madagasikara. Fa tsy ho hay ny tsy hanao jery todika fohy dia fohy... tsy dia mpijery todika tokoa aho fa mpibanjina ny eo anoloana.

Amin'ny ankapobeny aloha dia mahafapo ahy ny fandroson'ny serasera. Na dia tsy mihazakazaka araka ny andrandrain'ny olona aza dia azo lazaina fa tsy misy fihemorana. Amin'izao fotoana izao dia manana sites ampolony ny serasera. Mbola tsy naka fotoana mihitsy aho nitanisana azy rehetra ka angamba hotanisaina eto amin'ity lahatsoratra ity. Nandritra ny fampidirana tao amin'ilay Ambondrona dia betsaka ny tsy votonon'izy telo dahy. Enga koa anie ka tsy hisy ho hadinoko.

Ireto ary ny takelaka anisan'ny lehibe vokarin'ny serasera.org : Namana, Tononkalo, Tononkira,Dinika - forum, Bizna - Antso filazana, Antsary, Tahiry, Lalao, Ohabolana, KlipGasy, Infogasy,Sarin-tava, Baiboly, Filazana manjò, RadioVazoGasy, Blaogy.com, Blaogy.org, Lisitra, Takelaka.org,Wikianja, Karajia - Resaka mivantana fa misy koa ny takelaka madinidinika sy zana-takelaka.

Mahafapo ihany koa ny mbola fototra ijoroan'ny serasera hatramin'izay ka hatramin'izao dia nyfampifandraisana ny Malagasy erantany. Fampifandraisana satria na dia eo aza ny Facebook dia mbola manana ny lanjany ihany ny fifandraisana eo anivon'ny serasera. Mahatratra an'aliny (40.000 latsaka) ny mpikambana mavitrika ao amin'ny serasera amin'izao fotoana izao ankoatr'ireo izay efa nandalo ka niala. Malagasy satria anisan'ny mampiavaka ny serasera ny maha Malagasy. Marina fa teknika sy teknolojia vahiny no ampiasaina kanefa hita ihany ny fototra maha-malagasy.Erantany satria hatrany am-piandohany dia natao indrindra ho fanovozam-baovao ho an'ireo rehetra lavitra an'i Madagasikara ny serasera. Hatrany Argentine ka hatrany Japon, hatrany Afrika atsimo ka hatrany Norvezy... dia misy Malagasy ao amin'ny serasera.

Mahafapo ny fiaraha-miasa amin'ireo namana izay tsy mamela ho irery fa miara-mikolokolo ny serasera. Hatrany am-boalohany dia efa niaraha-misalahy ny fitantanana ny serasera... ary hatramin'izao dia tsy miasa irery mihitsy ny tena fa samy mandray izay tandrify sy azony atao ny tsirairay. Namana tsy voatery hitovy hevitra, tsy voatery ho iray saina, tsy voatery ho mpinamana be... kanefa mahay miara-miasa ka manjary harena ny tsy fitoviana.

Mahafapo koa fa efa miezaka ny mahavita tena ny serasera. Efa tsy misy vola mivoaka am-paosin'ny fianakaviana intsony fa vitan'ny dokam-barotra an-tselika eny. Noezahina sy hiezahana hotazomina hatrany mantsy ny maha maimaim-poana ny serasera.

Ary ny zavatra tsy mahafa-po?

Mino aho fa misy, fa ny olona no tena mahita azy. Fa hoy ilay mompera nampianatra anay izay hoe "Manampy kokoa amin'ny fandrosoana ny mijery ny fahombiazana noho ny mijery ny zavatra tsy nety"

Sary vitsivitsy

3 commentaires:

sipagasy a dit…

Ianao no isaorana betsaka ry Hery fa izaho aloha dia afa-pahanginana tokoa vao nahita ity tranonkala ity t@ 2003 sa 2002 akory aza e! Tonga dia naita sy nahazo namana be dia be aho, ary dia mbola mitohy ihany izany hatramin'izao!

Fahamarinana Maharitra a dit…

Ny tenako manokana ihany koa dia tsy mitsahatra misaotra any Hery sy ireo mpandrindra ny serasera.org sy ny takelaka samihafa koa !
Ahoana moa no hangina amin'izao fahafolo taona izao tokoa,manao adala tsy mahita ny fahasoavana sy firahaliana mamy hitako isan'andro vaky izao rehefa miditra sy mitsidika ireny takelaka ireny aho ! :-)
Satry ho tantaraina sy ho tanisaina nefa angamba ny pejy na zato aza tsy ho ampy fa ny tsapako manokana dia tato aho no nihaona sy nifankahalala tamin'ny malagasy maro ,samihafa fiaviana ,samihafa traikefa,samihafa firehen-kevitra nefa dia lasa namana mahafinaritra !Tsy mitsahatra mitombo hatrany hatrany ihany koa,miha-"sambatra" hatrany miaraka miriaria eto !hihi !
Mankasitraka be dia manohana anareo e ,raha mbola misy azo hanampiana moa na dia an'ereritreritra aza noho ny tsy fahaizana die eo hatrany aho !Dia mirary soa anareo rehetra tsy ankanavaka o !Faly aho nifanena tamin'ny serasera.org !
Faha

naevetai a dit…

Slots & Games Archives - DRMCD
Slot machines 동해 출장샵 & video poker in a casino - 원주 출장안마 The Jackpot King casino! For 동해 출장마사지 a bit of a rush, I found 제주도 출장안마 out that 서울특별 출장마사지 the “Jackpot King" casino also had an online