27 mars 2015

Ny momba ny klipgasy.org

Tsy dia fombako ny mizara antsipirihany ny teknolojia momba ny site ataoko noho ny fanahiana hatrany ny mety hisian'ny lavaka eny antsefatsefany eny ka misy manararaotra hanimba zavatra. Fa amin'ity indray mitoraka ity dia tsy dia maninona loatra izany.


Navoakako afak'omaly ara ny voatra vaovaon'ny klipgasy.org. Efa tamin'ny 2007 no nisokatra voalohany ny klipgasy.org ary natao indrindra hanangonangonana hira antsary malagasy. Ny tanjona dia mba hahafahana mitady mora foana ireo hira n'ny mpihira iray na ireo mitovitovy karazana. Hatramin'izay dia blaogy tsotra tao amin'ny blogger.com no nametrahana azy. Ny anaran'ny mpihira no natao sokajy ka isaky ny manindry mpihira dia miseho ny hirany rehetra.
Nanomboka afak'omaly kosa dia ao amin'ny openshift.com no misy azy. Amin'izao dia mampiasa ilay toerana maimaim-poana atolotry ny openshift ary mifototra eo ambonin'ny Drupal. Ny endrika miasa dia zanak'endrika Zurb Foundation mba hahatonga ilay takelaka ho azo jerena amin'ny finday.
Nanamboatra module manokana koa aho mba hahafahan'ny  mpikambana ao amin'ny serasera.org  miditra avy hatrany mampiasa ny solonanarana sy tenimiafina avy ao amin'ny serasersa. Amin'izay dia tsy mila misoratra anarana vaovao intsony ny mpikambana amin'ny serasera. Raha toa ka tsy  mbola mpikambana amin'ny serasera.org moa dia afaka misoratra anarana ihany koa.


Aucun commentaire: