Ny serasera.org sy ny tantarany Noho izao faha-5 taonan'ny serasera.org izao (3 oktobra 1999 - 3 oktobra 2004) dia mahafaly ahy ny manolotra ity famelabelarana kely momba ny serasera.org ity. Fampidirana Nateraka hiombona sy hifandray amin'ny manodidina azy ny olona... raha tsy izany dia tsy ho "nateraka" izy. Vao teraka izy dia niankin-doha ary mandra-pahafatiny dia tsy hahavita tena. Mety hihambo ho olona afaka izy saingy ny fahafahany dia mbola fiankinana amin'ny fijerin'ny hafa ihany. Na ao anatin'ny fahanginana tanteraka aza izy... dia mbola mifandray ihany satria endriky ny fifandraisana izany. Fifandraisana ny olombelona, fiombonana sy firaisana. Izany toetra izany no mahatonga azy tsy maintsy hifanerasera, hiserasera, hila serasera. Fiainana izany ny serasera... ka manaraka ny onjam-piainana sy ny fivoatry ny fiainana. Koa amin'izao fivoaran'ny teknolojia izao dia mandray ny toerany ihany koa ny serasera. Serasera amin'ny alalan...
Ho hitanao eto ireo fanovana isan-karazany mitranga ao amin'ny serasera.org amin'ny ankapobeny. Ny serasera dia nanomboka ny 3 oktobra 1999