Accéder au contenu principal

Articles

Affichage des articles du juillet, 2009

Takelaka foibe serasera

Navoaka androany ny takelaka foibe serasera.org izay mahafaoka ny takelaka hafa rehetra. Rehefa manokatra ny serasera.org dia miseho ery ankavia ery ny takelaka rehetra ao anatin'ny serasera.org dia ny Tononkira - Dinika forum - Vetso tononkalo - Lisitra - Wikianja - Takelaka.org - Radiovazogasy - Mailaka - Blaogy.org - Blaogy.com - Tahiry - Bizna - Lalao - Ohabolana - Resaka mivantana - Antsary - Tolotra - Baiboly - KlipGasy - Filazana manjò - Infogasy - Sarintava . Eo ampovoany kosa dia ny famintinana tsirairay ireo takelaka, araka izay ilaina. Toy ny mahazatra dia andrana hatrany ny endrika fa ovaovaina araka ny sosokevitra avy amin'ny hafa sy ny fahitako azy ary ny météo :-p Mazotoa hatrany.

Serasera 3/10/1999 - 3/10/2009

Folo taona izay no nitsirian'ny hevitra hanangana vondrona iray antsoina hoe serasera. Hampifandray ny Malagasy manerana ny tany amin'ny alalan'ny haitaon'ny internety. Maro ny hetsika eritreretina hatao mandritra izany dingana lehibe izany izay holazaina etsy ambany ny andinindininy. Folo taona aty aoriana tokoa mantsy dia mamondrona takelaka am-polony, sy malagasy an'aliny ny serasera.org. Takelaka noezahina hatrany hifototra amin'ny maha Malagasy. Endrik'izany fandalàna ny maha Malagasy izany ny nametrahana hatrany am-boalohany ny hitenenan'ny takelaka rehetra eto amin'ny serasera ny teny malagasy. Azo atao hoe tanteraka ihany izany na dia eo ihany aza ireo takelaka vitsy izay voatery natao teny vahiny noho ny haitao ao anatiny tsy mbola voafehy amin'ny tenindrazana. Noezahina nolalaina hatrany koa ny foto-pisainana maha Malagasy ao anatin'ny fanajana ny firaisan-kina sy ny fihavanana, na dia voatery nampifanolana aza izany matetika. Koa m...

Bizna

Vita tamin'ny weekend teo iny koa ny bizna.serasera.org izay takelaka efa nisokatra efa ho telo taona izay saingy nohavaozina tanteraka. Amin'izao dia mampiasa tanteraka ny solaitra ihany koa io takelaka io raha ny Joomla no nampiasaina teo aloha. Mba tsy haha vaovao be loatra ny mpitsidika dia natao mitovitovy amin'ny teo aloha ihany ny interface. Toerana fampidirana antso sy filazana samihafa moa ny bizna.serasera.org . Io izany no mitahiry ny petites-annonces eto amin'ny serasera.org. Rehefa hampiditra antso filazana dia mifidy sokajy (catégories) sy karazana (types). Ny sokajy ohatra dia hoe Fiara -> Mivarotra fiara, ny karazana kosa dia Fiara vaovao, fiara efa niasa, fiara tranainy. Ao anatin'ny bizna.serasera.org koa amin'ny maha antso sy filazana azy dia ahitana sokajy momba ny fitadiavana namana, vady sns. Na dia hoe ny site namana.serasera.org aza no tena takelaka mikasika ny namana.

Mbola antsary ihany

Vao roa andro izay no namoahana ny antsary.com dia efa mahatratra 1700 mahery sahady ny sary. Sary efa niangona niandry ilay antsary ho vita fotsiny. Ireto ary ny fahana RSS momba ny sary raha toa ka mety hahaliana: Ireo tahirintsary tonga farany http://antsary.com/album/rss Tahirintsary notsongaina atsapaka http://antsary.com/album/rss/random Sary 10 tonga farany http://antsary.com/album/sary/rss Sary 10 notsongaina antsapaka http://antsary.com/album/sary/rss/random

Serasera antsary

Navoaka androany ho hitam-bahoaka ny takelaka antsary.com . Takelaka iray natao hitehirizan'ny namana serasera sary isan-karazany. Ny namana tsirairay dia afaka manokatra tahirintsary izay tiany, rehefa mifanaraka fotsiny amin'ny lalàna ankapobeny. Ny tahirintsarin'ny namana tsirairay dia azo jerena ao amin'ny adiresy solonanarana.antsary.com Ny tena tanjona dia ny hamondronana ao amin'io adiresy io ny toerana fampidiran-tsary rehetra eo amin'ny serasera, na any amin'ny namana izany na any amin'ny tononkira. Mazava ho azy fa mbola tsy vita tanteraka io takelaka io kanefa efa mandeha tsara kosa. Mbola betsaka ny zavatra tiako hovaina fa aleo ao anatiny no manatevina.