Accéder au contenu principal

Articles

Affichage des articles du mars, 2010

Youtube amin'ny hafatra sy eritreritra mandalo

Toa izao no fametrahana video eto amin'ny eritreritra mandalo. Hatramin'izao aloha dia mbola Youtube ihany no azo apetraka fa mbola hatsaraina amin'ny manaraka. Raha te hametraka video Youtube dia jereo ilay lien omen'ny Youtube. Ohatra hoe http://www.youtube.com/watch?v=8kxC8CzwIOY  dia alaivo ilay code aorian'ny  v=  izany hoe ilay 8kxC8CzwIOY  eto amin'ny ohatra dia ataovy ao anatin'ny  [you tube]  sy  [/you tube]  tsy asiana elanelana. Izany hoe toa izao  [you tube] 8kxC8CzwIOY [you tube] Dia toa izao no hiseho eo amin'ny eritreritra mandalo rehefa sokafana.

Zava-baovao Volana Marsa 2010

Maromaro ihany ny zava-baovao madinidinika natao tamin'iny volana febroary iny ka atolotra ho anareo amin'ity volana marsa ity. Ny vaovao hitako hoe mivaingana indrindra anefa dia ny fitsanganan'ny Fikaonandohan'ny mpandrindra ny serasera na koa ny conseil d'administration-n'ny serasera. Tamin'ny 20 febroary teo tao Paris no nananganana sy nivoriana voalohan'ny fikaonandohan'ny mpandrindra ny serasera. Misy fito ny mpikambana ao amin'io fikaonandoha io ary ny tena tanjony dia ny hiara-miasa akaiky kokoa amin'ny fampandehanana ny serasera.org amin'ny ankapobeny. Efa nanomboka tamin'iny volana janoary sy febroary iny ny jery todika sy dinidinika momba ny zavatra mbola hatao, fa tamin'io 20 febroary tao Paris io kosa no nametrapetrahana ny andraikitry ny tsirairay. Hozaraina amintsika miandalana eny ihany izany fa amin'izao dia tiana hampahafantarina antsika ofisialy ny mpikambana ao amin'izany fikaonandoha izany dia tsy iza...