Efa andro vitsivitsy izay no niadiana tamin'ireo bandy mpigafy ao amin'ny karajia.org . Efa nisy ihany ireo fepetra noraisina vitsivitsy saingy tsy afaka manoatra firy satria manjary betsaka koa ny ankizy voasakana raha tena ampiharina daholo ny fitsipiky ny aro loza rehetra. Ny hirariana fotsiny dia mba ho eo hatrany ny ops rehefa raikitra ny fanafihana satria azon'ny op sakanana ihany ilay izy. Fa toa izao ny zavatra kely azo zaraina momba io karajia.org io. Nanomboka tamin'ny 22 janoary 2010 dia naka lohamilina (serveur) manokana ho azy ny karajia.org rehefa avy nampiasa ny tambazotra (reseau) epiknet.org nandritra ny 7 taona. (Tamin'ny 2003 tokoa mantsy no nanomboka nisy chat teto amin'ny serasera ka tao amin'ny epiknet.org no nangataka trano.) Tsy dia sarotra loatra ny nametraka ilay lohamilina satria natao faran'izay tsotra. Araka ny nolazaiko dia tsy dia nandaniana andro be loatra ny resaka fiarovana satria tsy noheverina hisy hanafika izany ...
Ho hitanao eto ireo fanovana isan-karazany mitranga ao amin'ny serasera.org amin'ny ankapobeny. Ny serasera dia nanomboka ny 3 oktobra 1999