Manomboka androany izany ny fifindra-monin'ny sites rehetra tao amin'ny serasera. Misy olana ny disque dur amin'ilay host taloha ka manjary miadana be daholo ny sites. Dia voatery natomboka ny fifindra-monina. Nisy olana kely tamin'ny resaka tambazotra satria mbola tsy fampiasa firy ny serveurs vaovao. Ny lesona fotsiny dia hoe amin'ny host no ovaina ny resaka network dia mila reboot foana vao ekeny ny configurations. Apetrako tsikelikely eto ny fizotran'ny asa 30/03/2016 Radiovazogasy Natomboka tamin'ny famindrana ny Radiovazogasy izany alina. Serveur Windows izay misy ny Broadcaster. Tsy sarotra satria tonga dia ilay VM no nafindra. Vita soa amantsara. Ny stream mampiasa php dia nandramako natao nginx fa tsy natao apache intsony. Vita soa amantsara ary mahazaka tsara. Tononkira Natomboka fa avy eo najanona fa misy olona mampiasa be dia be loatra (mampiditra hira sns) ka manjary corrompu. Tohizana rahalina. Forum Voafindra tsara, fohy ...
Ho hitanao eto ireo fanovana isan-karazany mitranga ao amin'ny serasera.org amin'ny ankapobeny. Ny serasera dia nanomboka ny 3 oktobra 1999