Accéder au contenu principal

Articles

nginx as proxy sy fail2ban

Noho ny fisian'ny site iray mbola mampiasa joomla 1.5 izay tsy mbola vitako ny manavao azy satria misy composants mbola mila havaozina sy misy docman izay lasa payant... dia voatery nanamboatra vm iray aho hasiana an'io site io fotsiny. Ny olana anefa dia tsy manana ip fanampiny koa dia voatery nanamboatra proxy izay ny nginx no mandrindra azy. Ni-installer vm vaovao izany, natao debian 7 (mbola olana koa ny manao debian 8 satria efa tranainy ny noyau-n'ilay host nefa raha havaozina dia tsy maintsy akisaka am sisiny daholo aloha ireo rehetra ireo pff). Ny tao amin'ity blaogy ity no nakako hevitra satria io no misy cache. Ny olana dia votsotra indray ny fail2ban satria ny hote indray no bloquer-ny. dia nafindra tao amin'ilay nginx ilay fail2ban sy ny rules dia mba nety. Mijery izao raha misy olana ilay caching

Attaque brute force

Nandalo fanafihana ny serveur-n'ny serasera misy ny blaogy.org androany. Tsy tratran'ny fail2ban tsotra fotsiny satria angamba tsy tena miditra ry zalahy fa manao ddos fotsiny. Dia nila nanaovana fail2ban manokana Toa izao ny endriky ny ataky. Ao anatin'ny 1 segondra misokatra in 5 na in 6 ny site. Ny natao: namorona fichier hoe wp-auth.conf tao amin'ny /etc/fail2ban/filter.d Izao no natao tao anatiny [Definition] failregex = ^ .* "POST /wp-login.php ignoreregex = dia avy eo nampiana an'izao tao amin'ny jail.conf [wp-auth] enabled = true filter = wp-auth action = iptables-multiport[name=NoAuthFailures, port="http,https"] logpath = /var/log/virtualmin/blaogy.org_access_log bantime = 3600 maxretry = 3

Tononkalo sy Mpanoratra ankafizina

Fanatsarana kely nisy nangataka ity vita androany ity. Hoy ilay namana: Tena misy mpanoratra tena mampiaiky ary tiako daholo ny asa sorany rehetra, mba iriko raha misy bokotra azo tsindriana hoe "Ankafiziko" ka haharaisako imailaka avy hatrany mitaona ahy hitsidika ny tononkalo vaovao izay nosoratan'io mpanoratra io.   Koa nanomboka izao dia afaka mankafy mpanoratra sy tononkalo isika ao amin'ny Vetso.serasera.org Rehefa mijery mpanoratra na tononkalo dia misy sarina fo dia tsindrina iny raha hankafy. Lasa menamena ilay fo rehefa ankafizinao ny tonokalo na mpanoratra. Raha efa mankafy an'ilay tononkalo na mpanoratra no manindry ilay fo menamena dia miala ao anaty lisitry ny ankafizinao ilay tonokalo na mpanoratra. Rehefa mankafy mpanoratra ianao dia mahazo filazàna amin'ny alalan'ny email isaka ny misy mampiditra tononkalon'io mpanoratra io. Raha tsy te handray email dia afaka mandeha ao amin'ny lisitry ny mpanoratra ankafizinao ...

Ny momba ny klipgasy.org

Tsy dia fombako ny mizara antsipirihany ny teknolojia momba ny site ataoko noho ny fanahiana hatrany ny mety hisian'ny lavaka eny antsefatsefany eny ka misy manararaotra hanimba zavatra. Fa amin'ity indray mitoraka ity dia tsy dia maninona loatra izany. Navoakako afak'omaly ara ny voatra vaovaon'ny klipgasy.org . Efa tamin'ny 2007 no nisokatra voalohany ny klipgasy.org ary natao indrindra hanangonangonana hira antsary malagasy. Ny tanjona dia mba hahafahana mitady mora foana ireo hira n'ny mpihira iray na ireo mitovitovy karazana. Hatramin'izay dia blaogy tsotra tao amin'ny blogger.com no nametrahana azy. Ny anaran'ny mpihira no natao sokajy ka isaky ny manindry mpihira dia miseho ny hirany rehetra. Nanomboka afak'omaly kosa dia ao amin'ny openshift.com no misy azy. Amin'izao dia mampiasa ilay toerana maimaim-poana atolotry ny openshift ary mifototra eo ambonin'ny Drupal . Ny endrika miasa dia zanak'endrika Zurb Foundation...

Maintenance

Asabotsy ny andro dia mandamindamina kely. Nanokatra vm anakiray (103) hanaovana dev manokana. Debian Wheezy. Dia no-forwarder-na tamin'io ny port 80 avy amin'ny host dia nanjary nandeha tany amin'ilay 103 daholo ny requetes rehetra na dia avy amin'ny vm sasany aza.

Misy extrait-n'ny hira ny tononkira

Napetraka ao amin'ny http://tononkira.serasera.org androany ny extrait-n'ireo hira maromaro izay misy ao amin'ny Radiovazogasy.com Tsy ny hira rehetra aloha no efa ao fa efa ezahina tsikelikely. Raha ara-teknika dia azo atao ny mampihaino ny hira manontolo fa tsy sombiny fotsiny saingy mbola mieritreritra hoe iza no omena alalana hihaino manontolo.

Fihaonana Rome III - 12 - 15 Aout 2011

                                                                                                                                                                                                                                                                                              ...