Accéder au contenu principal

Articles

Takila...

 Nohavaozina hampiasa Codeigniter 4 koa ny takila.serasera.org   Efa tafafindra ao amin'ny serveur vaovao izay mahazaka Codeigniter 4 izy amin'izao fotoana izao fa manao fanatsarana vitsivitsy fotsiny sisa.

Message privé

J'ai donc remis la possibilité d'envoyer des Messages privés sur le site namana.serasera.org  La technologie utilisée est Vuejs en frontend et NodeJS avec socket.io yo en backend. Pour le moment surtout pour un ordinateur de bureau ça marche bien. Le problème que je trouve c'est l'affichage responsive pour mobile, mais je vais essayer de corriger ça.  Je pense que l'idéal c'est de faire une application complète... je verrai comment on peut gérer ça.

Namana Serasera - 20 taona

Raha tamin'ny 1999 no niorenan'ny serasera.org manontolo dia ny 19 oktobra 2002 kosa no nisokatra ny takelaky ny namana.serasera.org Feno 20 taona amin'ity taona 2022 ity izany ny namana.serasera.org izay takelaka tena nifandraisana ka nifankahalalan'ny mpikambana maro. Tamin'io 19 Oktobra io ary dia navoaka ho hitam-bahoaka ny takelaka namana.serasera.org. Mazava ho azy fa izaho no nisoratra anarana voalohany :-) dia nisy ankizy vitsivitsy akaiky ahy koa (izay niala dia avy eo niditra dia tsy voatahiry ny momba azy taloha). Tapa-bolana taty aoriana dia  55  no isan'ny namana (aza mihomehy). Dia noezahina nohatsaraina teny foana. Amin'izao fotoana izao dia mahatratra  103.016  eo ho eo ny namana ary mitombo hatrany. (araka ny hita ao amin'ny login.serasera.org) Misaotra anao nanaiky ho namana...  dia maniry ny hitohizan'izany hatrany. Tsy tokony mba hisy hetsika vitsivitsy ve amin'io volana oktobra io ? Haninona anefa :-) Toa izao ny fitantarana ...

Mifindra monina

Manomboka androany izany ny fifindra-monin'ny sites rehetra tao amin'ny serasera. Misy olana ny disque dur amin'ilay host taloha ka manjary miadana be daholo ny sites. Dia voatery natomboka ny fifindra-monina. Nisy olana kely tamin'ny resaka tambazotra satria mbola tsy fampiasa firy ny serveurs vaovao. Ny lesona fotsiny dia hoe amin'ny host no ovaina ny resaka network dia mila reboot foana vao ekeny ny configurations. Apetrako tsikelikely eto ny fizotran'ny asa 30/03/2016 Radiovazogasy Natomboka tamin'ny famindrana ny Radiovazogasy izany alina. Serveur Windows izay misy ny Broadcaster. Tsy sarotra satria tonga dia ilay VM no nafindra. Vita soa amantsara. Ny stream mampiasa php dia nandramako natao nginx fa tsy natao apache intsony. Vita soa amantsara ary mahazaka tsara. Tononkira   Natomboka fa avy eo najanona fa misy olona mampiasa be dia be loatra (mampiditra hira sns) ka manjary corrompu. Tohizana rahalina. Forum Voafindra tsara, fohy ...

nginx as proxy sy fail2ban

Noho ny fisian'ny site iray mbola mampiasa joomla 1.5 izay tsy mbola vitako ny manavao azy satria misy composants mbola mila havaozina sy misy docman izay lasa payant... dia voatery nanamboatra vm iray aho hasiana an'io site io fotsiny. Ny olana anefa dia tsy manana ip fanampiny koa dia voatery nanamboatra proxy izay ny nginx no mandrindra azy. Ni-installer vm vaovao izany, natao debian 7 (mbola olana koa ny manao debian 8 satria efa tranainy ny noyau-n'ilay host nefa raha havaozina dia tsy maintsy akisaka am sisiny daholo aloha ireo rehetra ireo pff). Ny tao amin'ity blaogy ity no nakako hevitra satria io no misy cache. Ny olana dia votsotra indray ny fail2ban satria ny hote indray no bloquer-ny. dia nafindra tao amin'ilay nginx ilay fail2ban sy ny rules dia mba nety. Mijery izao raha misy olana ilay caching

Attaque brute force

Nandalo fanafihana ny serveur-n'ny serasera misy ny blaogy.org androany. Tsy tratran'ny fail2ban tsotra fotsiny satria angamba tsy tena miditra ry zalahy fa manao ddos fotsiny. Dia nila nanaovana fail2ban manokana Toa izao ny endriky ny ataky. Ao anatin'ny 1 segondra misokatra in 5 na in 6 ny site. Ny natao: namorona fichier hoe wp-auth.conf tao amin'ny /etc/fail2ban/filter.d Izao no natao tao anatiny [Definition] failregex = ^ .* "POST /wp-login.php ignoreregex = dia avy eo nampiana an'izao tao amin'ny jail.conf [wp-auth] enabled = true filter = wp-auth action = iptables-multiport[name=NoAuthFailures, port="http,https"] logpath = /var/log/virtualmin/blaogy.org_access_log bantime = 3600 maxretry = 3

Tononkalo sy Mpanoratra ankafizina

Fanatsarana kely nisy nangataka ity vita androany ity. Hoy ilay namana: Tena misy mpanoratra tena mampiaiky ary tiako daholo ny asa sorany rehetra, mba iriko raha misy bokotra azo tsindriana hoe "Ankafiziko" ka haharaisako imailaka avy hatrany mitaona ahy hitsidika ny tononkalo vaovao izay nosoratan'io mpanoratra io.   Koa nanomboka izao dia afaka mankafy mpanoratra sy tononkalo isika ao amin'ny Vetso.serasera.org Rehefa mijery mpanoratra na tononkalo dia misy sarina fo dia tsindrina iny raha hankafy. Lasa menamena ilay fo rehefa ankafizinao ny tonokalo na mpanoratra. Raha efa mankafy an'ilay tononkalo na mpanoratra no manindry ilay fo menamena dia miala ao anaty lisitry ny ankafizinao ilay tonokalo na mpanoratra. Rehefa mankafy mpanoratra ianao dia mahazo filazàna amin'ny alalan'ny email isaka ny misy mampiditra tononkalon'io mpanoratra io. Raha tsy te handray email dia afaka mandeha ao amin'ny lisitry ny mpanoratra ankafizinao ...