26 février 2006

Tononkalo vakiraoka

Zava-baovao vao nampidirina ao amin'ny takelaka vetso.serasera.org
Rehefa manoratra tononkalo ny namana iray dia tsy voatery tonga dia aseho ho hitan'ny olona fa mbola azo atao vakiraoka aloha. Amin'izay dia azo tohizana sy hatsaraina tsara vao aseho.
Manomboka izao izany dia tsy voatery efa nahavita tononkalo iray feno vao afaka mampiditra... atomboka ny tononkalo dia rehefa tsy mbola vita dia tsindriana ilay hoe Vakiraoka.
Ny lisitry ny tononkalon vakiraoka dia ery amin'ilay hoe Tononkalo vakiraoka eo amin'ny fanoroam-pejy.

22 février 2006

Ho an'ny artista vao misondrotra

Anisan'ny tanjon'ny eto amin'ny serasera.org ny mampahafantatra ny
artista vao misondrotra. Izany rahateo no nanaovana ny
Radiovazogasy.com izay mandefa ny hiran'ireo artista ireo amin'ny
alalan'ny internet. Ny Radiovazogasy.com dia mifanaraka ara-dalàna
amin'ny OMDA.
Ireto no zavatra azonao atao raha artista vaovao ianao.

- Ampidiro ao amin'ny http://tononkira.serasera.org ny momba ny tarika
na ny momba anao.
- Ampidiro ao amin'io http://tononkira.serasera.org io ihany koa ny
tononkira (paroles) n'ny hiranao mba ho fantatry ny olona
- Mifandraisa amin'ny radiovazogasy@yahoo.fr raha misy hetsika
karakarainao (spectacle, hamoaka CD sns) na koa misy vaovao manokana
tianao hampitaina.
- Raha efa namoaka CD moa ianareo dia azonao alefa ao amin'ny
radiovazogasy@yahoo.fr ny sary fonon'ny CD sy ny mombamomba anareo.
- Raha manana hira ianao na sombin-kira (extraits) dia azonao alefa ao
amin'ny radiovazogasy@yahoo.fr ihany koa

Misaotra
Hery

07 février 2006

Tetikasa Baiboly

Rehefa avy nifampiresaka tamin'i Mahefa ao amin'ny www.baiboly.org aho dia nieritreritra ny hampiditra dikanteny vaovao ao amin'io site io. Natomboka omaly ary ny fanangonana ny dikanteny katolika. Nisy anefa ny sosokevitra mba hametrahana koa ny DIEM (Dikanteny iombonana) koa natao koa izany alina ary nosokafana androany.
Ireto izany ny tetikasa Baiboly amin'izao fotoana izao.
Dikanteny Iombonana http://baiboly.serasera.org
Dikanteny Katolika http://ws.loharano.org