22 février 2006

Ho an'ny artista vao misondrotra

Anisan'ny tanjon'ny eto amin'ny serasera.org ny mampahafantatra ny
artista vao misondrotra. Izany rahateo no nanaovana ny
Radiovazogasy.com izay mandefa ny hiran'ireo artista ireo amin'ny
alalan'ny internet. Ny Radiovazogasy.com dia mifanaraka ara-dalàna
amin'ny OMDA.
Ireto no zavatra azonao atao raha artista vaovao ianao.

- Ampidiro ao amin'ny http://tononkira.serasera.org ny momba ny tarika
na ny momba anao.
- Ampidiro ao amin'io http://tononkira.serasera.org io ihany koa ny
tononkira (paroles) n'ny hiranao mba ho fantatry ny olona
- Mifandraisa amin'ny radiovazogasy@yahoo.fr raha misy hetsika
karakarainao (spectacle, hamoaka CD sns) na koa misy vaovao manokana
tianao hampitaina.
- Raha efa namoaka CD moa ianareo dia azonao alefa ao amin'ny
radiovazogasy@yahoo.fr ny sary fonon'ny CD sy ny mombamomba anareo.
- Raha manana hira ianao na sombin-kira (extraits) dia azonao alefa ao
amin'ny radiovazogasy@yahoo.fr ihany koa

Misaotra
Hery

Aucun commentaire: