Accéder au contenu principal

Articles

Affichage des articles du septembre, 2003

Fisokafan'ny vetso.serasera.org

Nisokatra androany izany ny takelaka http://vetso.serasera.org . Ato no hampidirana ny vetsovetso sy tononkalo na Poeta efa fanta-daza, na Namana maniry hanoratra, na ireo Namana izay sendra lasa vinany. Mbola eo am-panatsarana azy hatrany amin'izao koa misaotra betsaka mametraka sosokevitra eto amin'ity forum ambany ity.  http://forum.serasera.org

Mbola resaka hira ihany

- Hitanareo etsy ambony havanana etsy ny hira mandeha raha mandeha ny radio . Raha tsy mandeha ny radio dia misy hira azo henoina tsirairay ihany ao amin'ny http://hira.serasera.org . - Ny ankamaroan'ny hira mandeha dia ezahina ny hametraka azy ao amin'ny tononkira. Rehefa mandahatra hira izany ianareo dia sady ho afaka hijery ny tonony ao amin'ny tononkira.

Ny mampiavaka ny Radio Gasy Fun

- Ny fihainoana ny hira dia ao amin'ny http://hira.serasera.org dia tsindrio ilay hoe [Hihaino hira] - Ny hira mandeha dia ny mpihaino no mandahatra azy. Rehefa tsy misy hira nofidin'ny mpihaino dia mandeha ny hira nomanin'ny mpikarakara. - Hita ny lisitry ny hira handeha. - Ndao ary hihaino hira Malagasy ao amin'ny http://hira.serasera.org