26 octobre 2005

Manomboka androany ny famindrana

Manomboka amin'izao fotoana izao izany ny famindrana ny serasera.org ho ao amin'ny serveur dédié.
Mety hisy korotandrotana madinidinika mandrapahatongan'ny rahampitso toa izao.

Marihana fa mandra-pifindran'ny DNS tanteraka dia mbola ao amin'ny serveur taloha ihany ny données rehetra MySQL no sintonina. Midika izany fa somary hiadana kokoa ny site.

Heverina tsy haharitra ny fahatapahana (minitra vitsivitsy) satria mifindra fotsiny ny DNS fa ny takelaka efa tokony handeha daholo amin'ny toerana roa.

Raha tafafindra ny serveur dia miova ity ambany ity
Serveur serasera.org miasa :

Toa izao no fizotran'ny asa

26/10/2005 13.34
  • Mampiditra ny fanovana farany tao amin'ny namana
  • Manandrana raha mety tsara ny takelaka avy ary amin'ny serveur vaovao
  • Mamindra ny DNS ... de miandry
  • Nasiana sary famantarana ao amin'ny takelaka namana.serasera.org ahitana hoe efa serveur vaovao ve no miasa sa serveur tranainy.
27/10/2005 01:36
  • Mamindra ny sary mbola tavela tao amin'ny serveur taloha (nampidirin'ny namana faramparany)
  • Manao vérification raha misy tsy mety.
  • Hita fa tsy mety ny tahiry.serasera.org (tsy afaka misoratra anarana)
  • Mamerina amin'ny laoniny ny emails @serasera.org rehetra (lanto, ralay, michi, welie, miora, r4d0, manjakelinay)
  • Manao verification services mail : mandeha tsara (nandramana ny Hadino ny tenimiafina)
27/10/2005 02:12
  • Vita tanteraka ny famindrana ny fichiers rehetra. Ao daholo ny sary.
  • Tsy mandeha ny namana.serasera.org/iza:... sy ny namana.serasera.org/izaho fa ny serasera.org/iza:... sy serasera.org/namana/iza:... no mandeha
27/10/2005 04:12
  • Voafindra ihany koa ny base de données. Efa tsy miasa iintsony ny base de données taloha.
  • Ny olana kely dia ny takelaka.org mbola mipetraka ao amin'ilay serveur taloha
  • Hatory am'zay fa toa efa ok daholo
27/10/2005 15:07
  • Nisy olana teo amin'ny famindrana ny takelaka hery.serasera.org dia voatery naverina daholo. Soa ihany fa efa nanana ny images rehetra aho dia napetraka fotsiny sisa
  • Efa mandeha tsara ny takelaka amin'izao fotoana izao.

Aucun commentaire: