Accéder au contenu principal

Articles

Affichage des articles du décembre, 2005

Fanitsiana teo amin'ny forum

Nisy hadisoana lehibebe ihany tao amin'ny forum saingy tsy nateti-pitranga dia tsy dia nisy fiantraikany lehibe loatra. Rehefa manoratra ianao ka mbola tsy nampiditra anarana dia mangataka hampiditra anarana izy... rehefa avy eo anefa dia tsy mitranga akory ny solonanarana fa fotsifotsy be sy "Tsy lazaina" no mitranga. Raha tonga dia manoratra dia mikorontana ny forum satria tsy fantany hoe iza no nanoratra. Nahitsy daholo izany androany.

Après la fête :-)

Vao vita ny fety dia manomboka indray ny serasera. Vita androany ny fanavaozana ny http://forum.serasera.org Mampiasa solaitra ihany koa izany ny dinika amin'izao fotoana izao. Mety mbola misy olana vitsivitsy kanefa efa fonctionnel tsara izy amin'izao fotoana izao.

Manavao ny forum.serasera.org

Eo an-dalam-panavaozana ny forum.serasera.org aho amin'izao fotoana izao. Toy ny ankamaroan'ny takelaka ao amin'ny serasera dia ampidirina ao anaty module-n'ny solaitra ihany koa ny dinika. Efa misy module forum natao ao amin'ny solaitra saingy tsy azo ampiharina amin'ny dinika forum.serasera.org satria misy olana eo amin'ny fandefasana hafatra. Olana hita - Rehefa manao invitation hamonjy dinika manokana dia tsy ao intsony ilay fandefasana hafatra. - Ny fanomezana isa (olana min) Vahaolana - Mila mamorona webservice tanteraka ho an'ny site namana.serasera.org dia azo sokirina avy any ivelany. - Na koa sokafana ny mysql dia azo paompiana avy any ivelany

Interview taloha

Tany anaty archives tany. Interview nataon'ny Magazine Rue TsaraB 1. Quels sont les thèmes de votre site ? C'est un site communautaire qui veut être « 100% malgache ». Serasera.org est d'abord un site de discussions où on communique et réfléchit sur les nouvelles sur Madagascar. C'est un site de rencontres où les membres s'écrivent, se connaissent et voire organisent ensembles des projets. Enfin, serasera.org est aussi prévu pour être un site culturel. Ainsi nous avons déjà moins de 2000 paroles des chansons malgaches et environ 300 poèmes. 2. D'où vous est venu l'idée de le créer ? Nous avons senti en tant que diaspora malgache un besoin d'échange. C'était sûr, il y en avait déjà d'autres mais nous avons voulu surtout nous lancer sur une communication typiquement malgache. Parlant malgache est pour les malgaches. Serasera.org a été ainsi créé, et s'est développé. Maintenant le service que nous rendons n'est plus réservé pour la diaspora ...

Ilaina ny fanovana ny endrika

Manahirana ahy mafy amin'izao ny fombafomba tokony hanovana ny endriky ny serasera.org mba hifanaraka amin'ireo endrika izay mateti-piasa amin'izao fotoana izao. Amin'izao fotoana izao dia misy colonnes 3 ny serasera amin'ny ankapobeny. Niezaka nampiasa div aho ao amin'ny namana nefa tonga dia hitako hoe misy manana olana. Firefox 1.5 (ity ampisaiko ity) sy ny internet Explorer 6 aloha dia tsisy olana mihitsy, fa mitranga soa amantsara ny colonnes 3. Ny hafa misy mitaraina hoe midina ambany daholo ny divs fa tsy mitranga amin'ny toerany. Ahoana izany ny hevitra? Momba ny layout izany dia mampiasa Divs 6 #Wrapper #Head #Nav #Content #Left #Right Fa tokony miova tsy tahaka ilay teo ny fampisehoana azy. Toa izao no tokony ho firindrany <div id="#Wrapper">     <div id="#Head">     </div>     <div id="#Nav">     </div>     <div id="#Content"...

Vita ny fanavaozana serveur

Izay izany vao azo lazaina hoe vita tanteraka ny fanavaozana serveur. Nahitsy daholo ireo zavatra tsy nety vokatr'iny fifindrana iny. Anisan'ny tena nigafy ny login izay tsy nety tao amin'ny forum.serasera.org izay vokatry ny tsy naneken'ny php ny HTTP_POST_VARS fa voatery nosoloina $_POST. Nigafy ihany koa ny mod_rewrite izay nibaiko ny iza:xxx sy ny izaho ao amin'ny .htaccess. Nesorina ny Option +FollowSymlinks dia nety ilay izy. Ny olana teo amin'ny sary koa dia niravona. Afaka miditra tsikelikely amin'ny fanatsarana ordinaire amin'izay izany taorian'iny fanatsarana extraordinaire iny.

Fanatsarana tao amin'ny serveur vaovao

Ireto izany ny fanovana tao amin'ilay serveur vaovao: Tao amin'ny /etc/php.ini magic_quotes_gpc = On register_globals = On error_reporting = E_ALL & ~E_NOTICE Tao amin'ny /etc/sysconfig/i18n LANG="en_US.ISO-8859-1" SYSFONT="latarcyrheb-sun16" SUPPORTED="en_US.UTF-8:en_US:en:en_US.ISO-8859-1" -- Hery http://hery.serasera.org "Tsiky dia ampy" Tel +39 338 744 2412

Duplicated id

Mahagaga fa tratran'ny hoe duplicated id 708417 aho tamin'ny namana_msg kanefa ny type dia INT. Dia rehefa novaina ho BIGINT ilay izy dia nandeha... izany hoe nijanona teo amin'io ny auto_increment. Naveriko ho 0 daholo aloha ny auto_increment... izany hoe nofafaina ny id dia naverina indray. Tsy misy olana satria tsy niantehitra tamin'ny ID mihitsy aho hatramin'izay fa mamorona msgid izay miankina amin'ny uniqid.