04 janvier 2006

Hatsaraina ny tatitra admin

Hohatsaraina ato ho ato ny tatitra halefa ho an'ny admin eto amin'ny serasera
Email iray isanandro ihany no hovoaray ka ao anatin'io email io daholo ireto tatitra manaraka ireto.
- Namana vaovao
- Namana nofafaina
- Sary vaovao
- Isan'ny hafatra nofafaina
- Isan'ny forum natao archives
- Tononkira vaovao avy ao amin'ny tononkira
- Ohabolana vaovao avy ao amin'ny ohabolana
- Lisitry ny lohateny tononkalo vaovao (avy ao amin'ny vetso.serasera.org)
- Takelaka vaovao (avy ao amin'ny takelaka.serasera.org)

Ny antony tena handefasana ireo amin'ny alalan'ny email dia mba ahafahan'ny tsirairay mandray ny anjarany amin'ny fandrindrana (ohatra izay mpandrindra sary afaka mamafa sary sns)
Raha misy zavatra hafa mbola mety ho ilaina dia afaka manoratra ihany.

Hery

Aucun commentaire: