18 juin 2009

Attaque 17 juin 2009

Tratran'ny attaque DDOS indray ny serveur iray an'ny serasera alina. Ny serveur principal no tratra. Nijanona daholo noho izany ny ankamaroan'ny site miafara amin'ny serasera.org afatsy ny forum satria ny forum natokana serveur fa mbola mavesatra.

Efa handeha hatory aho alina, namitavita zavatra kely, tamin'ny 1 sy sasany maraina, no nahazo email tampoka avy any amin'ny OVH milaza fa no-désactiver-ny ny serveur satria "hijacked". Izany hoe tafiditry ny pirate (foza orana grrr) dia tsy voatantana ara-dalàna intsony. Nomeny rohy fotsiny aho hakàna ny zavatra izay azo alaina sisa ao. Nanomboka teo dia ni-activer ilay serveur iray fiandry aho dia nafindra tao izay tokony azo afindra. Maraina ihany ny andro vao vita daholo.

Amin'izao izaho manoratra izao dia efa mandeha ny sites goavana. Ny sites madinika sasany mbola tsy no-activer-na satria mila jerena hoe taiza no nahatafidirandry zalahy "foza orana" (Ambohitsirohitra sa Iavoloha lol)

UPDATE: Tsikaritro io maraina io fa données tamin'ny 17 jiona tamin'ny 1 ora maraina no farany voatahiry ka naverina nampidirina. Ny zavatra rehetra nampidirina tao amin'ilay serveur nandritra ny andron'ny 17 jiona izany dia tsy voatahiry avokoa. Ireto avy izany zavatra izany:
- Hafatra sy sary ary namana vaovao tao amin'ny namana.serasera.org
- Namana vaovao vao nisoratra anarana tao amin'ny vavahady.serasera.org
- Tononkalo vaovao sy hevitra tao amin'ny vetso.serasera.org
- Tononkira vaovao sy hevitra tao amin'ny tononkira.serasera.org
- Sarintava vaovao tao amin'ny avatar.serasera.org
- Lahatsoratra vaovao tao amin'ny blaogy.com
- Ohabolana nampidirina ny 17 jiona
...

Miala tsiny raha nisy fiantraikany taminareo ireo zavatra ireo.

Hery

Aucun commentaire: