Taorian'ny fikorontanana kely nandritra fanavaozana ny takelaka namana.serasera.org dia azo lazaina fa efa milamindamina amin'izao ny takelaka. Efa mandeha tsara ny fitadiavana namana sy ny lisitry ny namana izay navesatra dia navesatra teo. Ireto avy ny zava-baovao aloha hatramin'izao. Ny chat (Mbola tsy mandeha) Amin'izao dia azo atao ny miresaka mivantana amin'ireo namana mandalo eto amin'ny takelaka. Mandritra ny andrana dia azo iresahana daholo ny namana rehetra. Rehefa vita kosa ny andrana dia ao amin'ny mombamomba anao no anekenao hoe iza no afaka mi-chat aminao. Raha hi-chat amin'ny namana iray dia misy fomba roa: Tsindrio ilay Bulle kely eo akaikin'ny solonanaran'ny namana hiresahana Tsindrio ny solonanarany dia ao amin'ny mombamomba azy misy hoe Hiresaka mivantana Ny vakiraoka Manomboka amin'ity tao vaovao ity ihany koa dia misy vakiraoka (brouillon) ny hafatra. Izany hoe tsy voatery alefa avy hatrany fa tehirizina aloha dia to...
Ho hitanao eto ireo fanovana isan-karazany mitranga ao amin'ny serasera.org amin'ny ankapobeny. Ny serasera dia nanomboka ny 3 oktobra 1999