09 octobre 2009

Mirindra tsikelikely ny namana.serasera.org

Taorian'ny fikorontanana kely nandritra fanavaozana ny takelaka namana.serasera.org dia azo lazaina fa efa milamindamina amin'izao ny takelaka. Efa mandeha tsara ny fitadiavana namana sy ny lisitry ny namana izay navesatra dia navesatra teo.
Ireto avy ny zava-baovao aloha hatramin'izao.

Ny chat (Mbola tsy mandeha)
Amin'izao dia azo atao ny miresaka mivantana amin'ireo namana mandalo eto amin'ny takelaka. Mandritra ny andrana dia azo iresahana daholo ny namana rehetra. Rehefa vita kosa ny andrana dia ao amin'ny mombamomba anao no anekenao hoe iza no afaka mi-chat aminao.

Raha hi-chat amin'ny namana iray dia misy fomba roa:
  • Tsindrio ilay Bulle kely eo akaikin'ny solonanaran'ny namana hiresahana
  • Tsindrio ny solonanarany dia ao amin'ny mombamomba azy misy hoe Hiresaka mivantana
Ny vakiraoka
Manomboka amin'ity tao vaovao ity ihany koa dia misy vakiraoka (brouillon) ny hafatra. Izany hoe tsy voatery alefa avy hatrany fa tehirizina aloha dia tohizana amin'ny manaraka.

Ny sary
Ny sary amin'izao dia voatahiry ao anaty rakitsary. Izany hoe ny tsirairay dia afaka manana rakitsary dia ao anatin'ny rakitsary no misy ny sary.

Raha hampiditra sary mivantana dia afaka manindry ilay hoe Hampiditra sary.
Azo atao koa ny mandeha eo amin'ilay hoe Hanokatra rakitsary dia mamorona rakitsary aloha vao mampiditra sary.

Ny mombamomba anao
Ny rohy mandeha amin'ny mombamomba anao dia http://namana.serasera.org/profile/solonanarana
Tsy ora any Madagasikara intsony no mipetraka fa ny ora ampiasainao. Mila ahitsy ao amin'ny mombamomba anao ny ora.

Ny filazana amin'ny email
Rehefa misy mandefa hafatra ho anao dia mahazo filazana ianao. Azonao atao ny mandeha ao amin'ny mombamomba anao raha tsy te handray ilay filazana intsony

Aucun commentaire: