Accéder au contenu principal

Articles

Vaovao mitambatra

Napetraka niaraka teto indray ny vaovao rehetra tahiry. :: Tatitra ofisialy (24-02-2004 - hery) Voaray androany ary ny tatitra ofisialy momba ny fihaonan'ny namana tao amin'ny EPP Ampasanisadoda ny 15/02/2004 lasa teo. Efa heno ihany ny lazany fa nahafinaritra koa manainga antsika hamaky ny vaovao eto amin'ny rohy eto ambany sy hifampidinika amin'ny tetikasa vitsivitsy aroson'izy ireo ao. Isaorana daholo izay nandray anjara. http://forum.serasera.org/index.php?rub=viewthread&msgid=m403b3800e0c37 ary ny tatitra. Hery :: Te handray vaovao? (20-02-2004 - hery) Navaozina tanteraka ny lisitry ny te handray vaovao eto amin'ny takelaka. Raha ohatra ianao ka te handray ny vaovao rehetra momba ny fanatsarana an'ity site ity dia mandehana etsy amin'ny fanoroam-pejy dia jereo ilay hoe [Handray vaovao] Na ihany koa mandefasa email...

Naverina ny fampatsiahivana

Nandritra ny fotoana vitsivitsy dia natsahatra kely aloha ilay fampatsiahivana an'ireo izay tsy namangy ny namana nantritra ny 1 volana. Naverina indray izany amin'izao. Toa izao ilay izy ary: - Raha tsy mamangy ny namana ianao ao anatin'ny iray volana dia mahazo hafatra famatsiahivana. - Toa izany ihany mandritra ny 3 volana raha mbola tsy mamangy mihitsy. - Rehefa tonga ny volana faha 4 taorian'ny fampatsiahivana voalohany ka mbola tsy mamangy ny namana ihany dia voafafa ny anarana sy ny mombamomba anao rehetra. - Ho an'ny namana misoratra anarana. Raha misoratra anarana ianao ka tsy miditra ato amin'ny namana ao anatin'ny 20 andro aorian'iny dia voafafa ihany koa ny anarana. - Ilay isa ery ambany ery io dia milaza ny isan'ny namana mamangy ny namana. Ny anarana voafafa izany tsy ao amin'io intsony.

Vaovao maromaro miaraka

Natambatra ato ny vaovao amin'izay tsy mandefa email isak'izao mihetsika izao. :: Fampidirana sary tsy nandeha Tsy nandeha teo ny fampidirana sary noho ny fifindra-monina. Efa mandeha izy amin'izao fotoana izao fa azonareo ampidirina amin'izay ny sary. Misaotra an'izay nanome fanamarihana. Raha mbola manana olana dia alefaso email aty amiko admin@namana.serasera.org ny sary fa hapetrakay. :: Publicités eto amin'ny namana Marina fa manembatsembana matetika ireo publicités vazaha anakiroa ireo. Manampy be dia be amin'ny fahazoana vola hanofana ny lohamilina (serveur) anefa ireo ka hotazomina aloha mandrampisian'ny mpanohana raikitra (irariana ho Malagasy). Ho hita eo ihany :: Chat na Resaka Mivantana Betsaka ny mitaraina fa tsy tafiditra tao amin'ilay resaka mivantana intsony tato ho ato. Ny antony dia ny zavamisy eo amin'ny fitaovana Java sy ny Microsoft. Rehefa afaka mamaky Java tsara ny version ampiasaina dia mety ilay izy. Azo atao koa anefa...

Biz'oroka hifanakalozana

Nampidirina androany indray ny biz'oroka izay fomba hanehoan'ny namana ny fitiavany na ny firaiketam-pony amin'ny namana hafa. Jereo etsy amin'ny [Fanazavana] etsy ankavanana ny momba an'io. Na koa ny rohy eto ambany. http://namana.serasera.org/index.php?rub=bizouhelp Raha misy diso dia ilazao ihany aho. Misaotra betsaka.

Tatitry ny fihaonana t@ 25 oktobra 2003

Araka ny hevitra nitranga avy tamin'ny namana vitsivitsy sy nandeha tamin'ny Forum teto dia nisy fihaonan'ny namana vitsivitsy teo Soarano Antananarivo tamin'ny asabotsy 25 oktobra 2003. Niniana tsy natao tena ofisialy izy io satria sao dia betsaka loatra ny namana tonga kanefa mbola tsy misy mpandrindra ny fihaonana akory. Teo amin'io fihaonana io vao nomanina ny fikarakarana ny fihaonana manaraka izay tapaka fa hatao amin'ny 29 novambra 2003 ho avy izao. Io amin'ny 23 novambra io izany no fihaonana ofisialin'ny namana voalohany izay karakarain'izy 10 mianadahy tonga tamin'ny fihaonana voalohany tao Soarano. Ka eto amin'ity forum ity indray no hanohizana azy. http://forum.serasera.org/index.php?rub=viewthread&msgid=m3f9ee05eafc93 Jereo eto ambany ny takelaka misy ny tatitra sy ny sary. http://namana.serasera.org/index.php?rub=special/soarano Nanao ny tatitra i Djiul

Nisy olana teo isaorana Rajaona

Manahoana. Nisy olana tamin'ilay fampidirana ny mombamomba fanampiny. Tsy nahatsikaritra an'iny aho satria ny ahy efa feno tsara ka tsy nisy olana mihitsy. Izay nameno mombamomba fanampiny taorian'ny tamin'ny asabotsy dia tsy nety tafiditra daholo ny zavatra nampidiriny. Androany aho vao nisy nilaza hoe misy erreur nivoaka ka dia androany izany vao nahitsy. Averiko indray hoe rehefa misy erreur hitanareo dia ilazao aho (hery)

Vita ny fifindra-monina

Noheverina hisy fahatapahana lava be ny namindrana lohamilina ny takelaka kanjo mba nirindra tsy nisy fahatapahana. Somary niadana kely fotsiny tao anatin'ny fotoana vitsy. Milina vaovao izany izao no misy ny takelaka serasera.org rehetra amin'izao fotoana izao. Raha ohatra ka mahita zavatra tsy mety na hadisoana any ianareo dia ilazao aho (hery). Misaotra betaka.