Accéder au contenu principal

Articles

Fitaovana ampiasain'ny serasera.org

Mahafaly ny milaza amintsika fa nampitomboina iray indray ny lohamilina (serveur) miasa eto amin'ny serasera. Izany no natao dia mba hanatsarana hatrany ny tolotra aroso ho antsika. Amin'izao fotoana izao izany dia misy serveurs dédiés 5 ampiasain'ny serasera. - 1 ampiasain'ny takelaky ny domaine serasera.org - 1 ampiasain'ny radiovazogasy.com (site sy serveur manaparitaka ny feo) - 1 ampiasain'ireo site hafa (blaogy, dokambarotra sy ireo takelaka vitsivitsy ampiantranoin'ny serasera) - 1 ao antranon'i JM sy Lanto misy ny hira rehetra (7000 latsaka) sy misy ny DJ mandrindra ny hira mandeha - 1 vao azo izay hasiana ny hanampiana ny serveur ao amin'i JM. Isaorana be dia be ireo rehetra miara-miasa amin'ny fitantanana sy fandrindrana ireo rehetra ireo. Indrindra fa ry zareo any Strasbourg izay miara-misalahy akaiky. Namana maromaro ihany koa no miara-miasa hampandeha ity serasera ity na dia tsy eo amin'ny ara-pitaovana aza. Manamarina ny sary mi...

Blaogy.com - Tolotra vaovao

Naseho masoandro androany indray ny Blaogy.com , tolotra vaovaon'ny serasera.org . Toerana ahafahan'ny mpikambana tsirairay ao amin'ny serasera manana ny blaoginy manokana. Blaogy, tahirintsary sy maro hafa ihany koa. Mbola Version Beta ihany io fa sady manatsara azy izahay. Raiso ary ny anjara blaoginao ao amin'ny http://blaogy.com Ireto avy ny zavatra atolotry ny Blaogy.com amin'izao fotoana izao... ary tsy mitsaha-mitombo izany. Endritsoratra hita avy hatrany Rehefa manoratra ianao dia hitanao avy hatrany na hataonao matevina na sora-mandry na voatsipika na voatsipika koa ny teny. Fampidirana sary Mora dia mora ny fampidirana sary. Azonao alaina avy ao amin'ny Rakitra (Ressources) na sary efa mipetraka any amin'ny toeran-kafa. Lahatsoratra isaky ny sokajy Izany hoe avondrona isaky ny sokajy ny lahatsoratrao tsirairay. Hevitra isaky ny lahatsoratra Misy toerana ahafahan'ny mpitsidika mametraka hevitra amin'ny lahatsoratra napetrakao ao ami...

Tononkalo vakiraoka

Zava-baovao vao nampidirina ao amin'ny takelaka vetso.serasera.org Rehefa manoratra tononkalo ny namana iray dia tsy voatery tonga dia aseho ho hitan'ny olona fa mbola azo atao vakiraoka aloha. Amin'izay dia azo tohizana sy hatsaraina tsara vao aseho. Manomboka izao izany dia tsy voatery efa nahavita tononkalo iray feno vao afaka mampiditra... atomboka ny tononkalo dia rehefa tsy mbola vita dia tsindriana ilay hoe Vakiraoka. Ny lisitry ny tononkalon vakiraoka dia ery amin'ilay hoe Tononkalo vakiraoka eo amin'ny fanoroam-pejy.

Ho an'ny artista vao misondrotra

Anisan'ny tanjon'ny eto amin'ny serasera.org ny mampahafantatra ny artista vao misondrotra. Izany rahateo no nanaovana ny Radiovazogasy.com izay mandefa ny hiran'ireo artista ireo amin'ny alalan'ny internet. Ny Radiovazogasy.com dia mifanaraka ara-dalàna amin'ny OMDA. Ireto no zavatra azonao atao raha artista vaovao ianao. - Ampidiro ao amin'ny http://tononkira.serasera.org ny momba ny tarika na ny momba anao. - Ampidiro ao amin'io http://tononkira.serasera.org io ihany koa ny tononkira (paroles) n'ny hiranao mba ho fantatry ny olona - Mifandraisa amin'ny radiovazogasy@yahoo.fr raha misy hetsika karakarainao (spectacle, hamoaka CD sns) na koa misy vaovao manokana tianao hampitaina. - Raha efa namoaka CD moa ianareo dia azonao alefa ao amin'ny radiovazogasy@yahoo.fr ny sary fonon'ny CD sy ny mombamomba anareo. - Raha manana hira ianao na sombin-kira (extraits) dia azonao alefa ao amin'ny radiovazogasy@yahoo.fr ihany koa Misaotra He...

Tetikasa Baiboly

Rehefa avy nifampiresaka tamin'i Mahefa ao amin'ny www.baiboly.org aho dia nieritreritra ny hampiditra dikanteny vaovao ao amin'io site io. Natomboka omaly ary ny fanangonana ny dikanteny katolika. Nisy anefa ny sosokevitra mba hametrahana koa ny DIEM (Dikanteny iombonana) koa natao koa izany alina ary nosokafana androany. Ireto izany ny tetikasa Baiboly amin'izao fotoana izao. Dikanteny Iombonana http://baiboly.serasera.org Dikanteny Katolika http://ws.loharano.org

Nihoatra ny bande passante t@ pub

Nampiasaina hamoahana ny pub tao amin'ny serasera ny site ws.loharano.org . Voatery najanona anefa izany alina satria nihoatra ny bande passante nilaina. Dia voatery naverina ao amin'ny doka.serasera.org indray aloha mandra-pahazo bande passante ngeza kokoa. Miezaka manamboatra tsikelikely ireo espaces pub azo amidy aho amin'izao fotoana izao ary mitady fomba koa hahamora ny fividianan'ny olona izany espaces izany.

Statistika serasera tato ho ato

Tsy aritra ny tsy hametraka ity statistika volana janoary 2006 ity. Zavatra hita amin'izao dia manodidina ny 4500 isanandro eo ny mpamangy ny serasera.org ary ny avo indrindra dia tamin'ny 13/01/2006 izay nahatratra 11741 Isaorana be dia be ny namana tsirairay sy ny mpandrindra rehetra manafana ny sehatra. Daily Statistics for January 2006 Day Hits Files Pages Visits Sites KBytes 1 96882 3.11% 50941 2.88% 28582 2.55% 3020 3.20% 1420 9.90% 631670 3.04% 2 149168 4.78% 86498 4.88% 54548 4.87% 4977 5.27% 1705 11.88% 949895 4.58% 3 181969 5.84% 104571 5.90% 64017 5.71% 5258 5.57% 1727 12.04% 1194032 5.75% 4 186276 5.98% 108545 6.13% 68893 6.15% 4564 4.83% 1713 11.94% 1255192 6.05% 5 174547 5.60% 102412 5.78% 66015 5.89% 4755 5.03% 1734 12.09% 1203305 5.80% 6 162862 5.22% 89719 5.07% 49707 4.44% 4447 4.71% 1667 11.62% 1011338 4.87% 7 140803 4.52% 73187 4.13% 45860 4.09% 3656 3.87% 147...